• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana magnesium : inona no mety fiantraikany amin’ny vatana ?

28/08/2023 11:28 © Moov.Mg

Faharerahana, volivoly, hodi-maso mangovingovitra, fanina, marary an-doha… maro ny fisehon’ny tsy fahampiana magnesium. Tsy dia manaitra ny sain'ny maro ny tsy fahampian’ity mineraly ity ao amin’ny vatana noho ny tsy fahafantarana ny asany sy ny mety ho fiantraikan’izany tsy fahampiana izany.

Ny anjara asan’ny magnesium eo amin’ny vatana

Anisan’ny mineraly betsaka indrindra ao amin’ny vatana ny magnesium ary ao amin’ny taolana no ahitana ny ampahany maro amin’izany. Maro ireo asa sahaniny eo amin’ny vatana, toy ny fampitomboana ny hery fiarovana, ny fanamafisana ny taolana, ny fanatsarana ny kalsioma, ny fisorohana ny rà mivaingana any anaty lalan-drà, ny fisorohana ny rarin-tsaina…
Manana andraikitra amin’ny fanodinana ny protéine ho lasa angovo sy amin’ny famokarana insuline ihany koa ny magnesium. Maro tokoa noho izany ny vokatsoa entin’ny fahampian’ity mineraly ity ao amin’ny vatana. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 350 mg isan’andro ny fatran’ny magnesium ilain’ny vatan’ny olon-dehibe iray.

Ny fiantraikan’ny tsy fahampiana magnesium eo amin’ny vatana

Maro ny mety fiantraikan’ny tsy fahampiana magnesium eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana :
-Mety ho lasa mangovingovitra ny vatana satria lasa mora taitaitra ireo retsika ao amin’ny hozatra sy ny nofo. Amin’ny voalohany dia mahatsiaro volivoly sy domelina ny vatana. Raha toa ka mitombo ilay tsy fahampiana magnesium dia mitarika ny vatana ho mangovingovitra.
-Miteraka havizanana lavareny ny tsy fahampiana magnesium. Lasa misy tsy fahatomombanana ny fanodinana ny protéine ho lasa angovo ka manjary mora reraka ilay olona, vizaka lava eny na vao mifoha eo am-pandriana aza.
-Ny tsy fahampiana magnesium dia mampihena ny famokaran’ny vatana sérotonine. Ity farany dia hormone iray mampitony ny rarin-tsaina, ny tebiteby, ny fahasorenana ary manatsara ny torimaso. Lasa kizitin-dava, ratsy torimaso sy mitebiteby lava noho izany ny olona tsy ampy magnesium ka mety ho tratry ny fahaketrahana ara-tsaina (dépression).
-Mety mitarika fikorontanana ara-pahasalamana ihany koa ny tsy fahampiana magnesium. Anisan’izany ny aretin’ny lalan-drà vokatry ny rà mivaingana, ny diabeta nohon’ny tsy fahampian’ny famokarana insuline…

Ireo sakafo ahitana magnesium

Manampy betsaka amin’ny fisorohana sy ny fiadiana amin’ny tsy fahampiana magnesium ao amin’ny vatana ny fihinana sakafo ahitana izany mineraly izany. Anisan’ny sakafo betsaka magnesium ny chocolat, ny hazan-dranomasina, ny zavoka, ny akondro sy ny voamaina.
Raha tojo tsy fahasalamana ny olona iray ka tsikaritry ny dokotera fa tsy ampy magnésium, misy ireo fanafody manarina izany tsy fahampiana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny Magné B6.

Lire la suite

Articles Similaires