• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Végétale & Tropicale.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanafody Sinusite : Andramo ny Babin'Akondro !

21/08/2023 09:27 © Moov.Mg

Mampijaly olona maro ny Sinusite. Na olon-dehibe na ankizy dia mety tratran'izy io avokoa. Ampahafantarina anao ary ny antony mety mahatonga izany sy ny fitsaboana azy.

Inona no atao hoe sinusite ary inona no mahatonga izany ?

Ny sinusite dia ilazana fahatsentsenan'ny orona vokatry ny fiandronan'ny bacterie na bibikely. Ny Sunis, izay lalan'ny rivotra ao am faritry ny tava, eo am takolaka sy ny handrina, no isian'izany fahatsentsenana izany.
Ireto avy ny antony mety mahatonga azy :
-Ny sery matetika
-Ny bacterie any amin'ny fitaovam-pisefoana rehetra
-Ny fifohana sigara
-Ny "allergies"

Ahoana no ahafantarana fa misy sinusite ny olona iray ?

Ny dokotera irery ihany no afaka manamarina raha tena misy sinusite marina ny olona iray. Misy kosa nefa ny tranga izay tokony handrisika ny amin'ny hanantonana mpitsabo.
-Marary andoha lava
-Tsentsina ny orona, tsy afa-miaina tsara
-Manisin-delo matetika
-Mivoaka lelo madity mavo na maitso ny orona
-Kentsona ny feo
-Manavy sady mikohaka
-Mety marary ny nify, maso, sofina
-Tsy maheno tsiro
-Reraka lava
-Mavesatra ny loha refa miondrika na mamindra
-Mavesatra ny maso na vao avy nanolo solomaso aza

Fitsaboana natoraly : Ampiasao ny babin'akondro

Alaina ilay Babin'akondro ary sokafana fa misy zanaka akondro be dia be ao anatiny . Ireo zanak'akondro ireo no tena ilaina .
Totoina ireo zanak'akondro ireo ary fihazana ahazoana ny ranony .Maka iray sotrokely fisotroana kafé amin'ilay ranony io .
Mitraka tsara ary araraka anaty orona io ranony io .Tampenana ny orona ilany , dia araraka amin'ilay tsy mitampina ilay iray sotrokely. Rehefa misy zavatra manelingelina te hivoaka dia miondrika ivoahan'izany. Tokony hisy tsililolilo mavo mivoaka avy ao .

Fitsaboana natoraly hafa

Tsy voatery hahita babin'akondro ny rehetra. Raha efa voaporofo fa misy sinusite, azo atao tsara ny mampihatra ny iray amin'ireto torohevitra ireto :
-Sakamalaho : Totoina ka ny ranony iny no araraka ny goutte 3 isaky ny lavak'orona. Atao indroa isan'andro.
-Tongolo : Totoina dia apangotrahina 5mn, atao evoka sady sotroina avy eo.
-Tongolo gasy : Maka hasiny 3 ka ampangotrahina amin'ny rano 1 kaopy. Asiana tamotamo 1/2sotro avy eo. Sotroina indray mandeha isan'andro.
-Kininina Fotsy : Maka raviny 3 dia apangotrahina 10mn amin'ny rano 150ml. Sotroina indroa isan'andro. Azo atao ihany koa ny manao evoka.

Lire la suite

Articles Similaires