• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Bevohoka ratsiana mihinana biriky : ‘ndeha ho resahina !

18/08/2023 16:50 © Moov.Mg

Samy manana ny maha ratsiana azy ny vehivavy bevohoka. Ny fiovan’ny toe-batana sy ny fikorontanan’ny hormones ao aminy matetika no mahatonga izany. Lasa mifidifidy sakafo, mihinana zavatra tsy mahazatra… Ny ratsiana biriky no ‘ndeha ho resahantsika androany.

Inona no antony mahatonga ilay ratsiana mihinana biriky ?

Maro ny vehivavy bevohoka no tratr’ilay antsoina hoe « syndrome de Pica ». Ity farany moa dia karazana fikorontanana ao amin’ny vatana manosika ilay olona hihinana zavatra tsy fihinana, toy ny biriky, la craie, tany, taratasy, savony… Mety hitranga amin’ny olona tsy bevohoka ihany koa moa izany.
Ho an’ny vehivavy bevohoka manokana moa dia mbola tsy fantatr’ireo manam-pahaizana mazava ny hifandraisan’izany syndrome de Pica izany amin’ny fitondrana vohoka. Tsikaritra nefa fa maro dia maro tokoa ireo vehivavy bevohoka no ratsiana mihininana biriky. Misy ihany nefa ireo antony eritreretina sy inoana fa mety mahatonga izany, toy ny hoe :
-Tsy fahampiana fer ka lasa manana faniriana te hihinana tany ;
-Fahatsapana na fieritreretana fa mihena ilay maloiloy rehefa mihinana biriky na tany ;
-Misy rora betsaka miandrona ao anaty vava ka manosika hihinana tany mba hanamaivanana ilay fahatsapana te handrora.

Inona no mety fiantraikan’ilay ratsiana mihinana biriky amin’ny fahasalamana ?

Maro ireo milaza fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ilay ratsiana mihinana tany. Raha ny marina nefa dia mety misy vokadratsy tokoa izany, indrindra raha be loatra ilay biriky hoanina.
-Lasa mikorontana ny taova fisakafoanana, toy ny vavony sy ny tsinay, ka mety hampandoa, hampitoana na koa hanentsina tsinay ;
-Mety hitarika aretin-kibo vokatry ny atodi-kankana avy amin’ilay biriky nohanina ;
-Tsy fahampiana fer satria ny fihinana tany manga (bririky) dia manakana ny fer tsy hifikitra anaty sela.
-Mbola tsy misy kosa hatreto ny mety ho fiantraikan’ny fihinana biriky amin’ny zaza ao am-bohoka.

Inona no vahaolana amin’ny ratsiana mihinana biriky ?

Toy ny zavatra rehetra maharatsiana ny vehivavy bevohoka dia tsy misy vahaolana azo atao hanala ilay ratsiana mihinana biriky. Ny afaka atao dia ny manantona mpitsabo mba hijeren’ity farany sao misy zavatra tsy ampy amin’ny vatana ka mahatonga ilay faniriana hihinana tany. Raha tsy mety afaka ilay ratsiana mihinana biriky dia mila miezaka kosa ilay vehivavy mitondra vohoka mba tsy atao betsaka loatra ny tany hoaniny mba hisorohana ny aretina mety aterak’izany.

Lire la suite

Articles Similaires