• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanamboarana yaourt maison vita amin’ny vovon-dronono

18/08/2023 15:03 © Moov.Mg

Maro amintsika no mankafy ny yaourt maison, indrindra ilay matavy tsara iny. Entina amintsika eto ary ny fikarakarana ny yaourt maison amboarina amin’ny vovon-dronono izay tsotra, matsiro ary tsy lafo fidy.

Ny zavatra ilaina amin’ny fanamboarana yaourt maison vita amin’ny vovon-dronono

-Rano 1 litatra
-vovon-dronono 10 sotro feno tsara
-siramamy 5 sotro fihinanana
-yaourt maison 1 atao larony (tsy mety raha ny yaourt vokarin’ny orinasa)

Fomba fikarakarana

Atao anaty vilany ny rano, ny vovon-dronono ary ny siramamy ary afangaro tsara. Apetraka eo ambony afo malefaka. Aroharoina tsy ankijanona mba tsy hiraikitra amin’ny vodi-vilany. Marihina fa mora mipetaka sy mora may kokoa ny ronono vita amin’ny vovon-dronona raha oharina amin’ny ronono tsotra.
Rehefa mangotraka dia esorina eo amin’ny afo. Manarak’izany dia ajoboka ao anaty koveta misy rano mangatsiaka ilay vilany misy ilay ronono mafana. Aroharoina amin’ny sotrobe mandra-pangatsiaka azy. Tsy azo avela mangatsiaka ho azy ilay ronona manjary misaraka sy mitsikafona eny ambony ny taviny.
Rehefa mangatsitsiaka ilay ronono, izany hoe eo amin’ny manodidina ny 38°C eo, dia arotsaka ilay larony ary afangaro tsara. Tandremana tsara mba tsy ho mafana loatra ny ronono no alatsaka ilay larony satria lasa mitera-drano ilay yaourt maison. Raha toa kosa ka mangatsiaka loatra ilay ronono dia lasa sarotra mandry ka mety tsy hahazo yaourt.
Rehefa mifangaro tsara ny ronono sy ilay larony dia zaraina anaty verres à jeter na anaty pot. Avy eo alahatra tsirairay anaty boritra (carton) na anaty glacière. Manarak’izay, fonosina anaty lamba matevina maro. Tandremana tsy hisy rivotra tafiditra ary apetraka amin’ny toerana mafanafana. Avela mifono ao mandritra ny adiny 4 dia vita ny yaourt maison matavy tsara. Alefa ao anaty vata fampangatsiahana adiny 1 avy eo afaka hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires