• Cours de change
  • 5091.92 AR
  • |
  • $4456.06 AR
Copyright Image : © Pourquoi-Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mierotra rehefa matory: ‘ndeha ho fantarina ireo mety ho anton’izany

31/07/2025 15:30 © Moov.Mg

Matetika ny olona mierotra rehefa matory dia tsy tonga saina amin’izany. Ny olona miary efitrano na miara-matory aminy no tena voalengelina sy mijaly satria mety lasa tsy mahita-tory. Efa natoro teto ihany ireo torohevitra hialana amin’ny ilay mierotra amin’ny alina. Tsara ihany koa nefa ny mahafantatra ireo mety mahatonga azy io. Araho eto ary ny andinindininy amin’izany.

Ireo antony lehibe mahatonga ny olona mierotra rehefa matory

Samy mety ierotra avoka ny olona rehetra, na lahy na vavy, na ankizy na lehibe. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny :
-Fahatsentsenana ny taovam-pisefoana ambony
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny fahatsentsenan’ny taovam-pisefoana ambony. Anisan’izany ny endrika sy ny paozin’izy ireo izay mety manery ny lalan’ny rivotra. Eo ihany koa ny orona jenjina vokatry ny sery, « allergies », « sinusites »… izay mahatonga ilay olona lasa miaina amin’ny vava ka mandrisika ilay mierotra rehefa matory. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny atao hoe « polypes nasaux » izay faritra mivoitra kely anatin’ny orona ka mety manembatsembanana ny lalan’ny rivotra.
-« Relâchement » an’ireo « tissus » ao amin’ny tenda
Rehefa mihamahazo taona ny olona iray dia mety lasa tsy mienjana tsara intsony ny hoza-tenda sy ny lela ka mety mampihovitra ny « tissus » sy mampierotra rehefa matory. Mety mahatonga izany ihany koa ny fitomboana lanja na ny hatavezana. Lasa mitombo loatra ny « tissu adipeux » manodidina ny hatoka ka manery ireo taovam-pisefoana. Eo ihany koa ny fisotroana toaka sy ny fihinanana fanafody fampatoriana. Izy ireo dia mampalemy ireo hozatry ny tenda ka mampierotra.
-Fomba fatoriana
Mety mampierotra ihany koa ny fatoriana mitsilany. Io fomba fatoriana io dia mandrisika ny fihemoran’ny lela sy ny « relâchement » ny valanorano ka mety manentsina ny ampahan’ny taovam-pisefoana. Ny fatoriana miorirana dia manampy hampihena ny erotra.
-Fifohana sigara
Ny setro-tsigara dia mandratra ny taovam-pisefoana ary miteraka « inflammations » an’ireo « tissus » ny tenda sy orona. Izany dia mety hiteraka fahatsentsenana ka mahatonga ilay olona lasa mierotra rehefa matory.

Inona no tokony atao raha mierotra rehefa matory ?

Raha toa ka indraindray ihany na malefaka ny erotra rehefa matory dia mety afaka manala izany ny fanovana ny fahazaram-piainana, toy ny hoe manena tena, tsy misotro toaka, matory miorirana, miala sigara… Raha toa kosa ka mierotra foana sy mafy, lasa vizaka be mandritra ny tontolo andro, marary andoha rehefa mifoha, tsy miaina kely tampoka rehefa matory… dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Ity farany no afaka mamantatra ny antony ambadika mety mahatonga ilay erotra sy ny vahaolana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires