• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Palpitations vokatry ny rarin-tsaina : ahoana no atao ampitoniana izany ?

17/08/2023 14:38 © Moov.Mg

Tranga mety hiseho amin’ny rehetra ny fidoboky ny fo haingana loatra na « palpitations ». Maro ireo antony mety mahatonga ny palpitations, anisan’izany ny rarin-tsaina. Inona ary no mahatonga ny rarin-tsaina miteraka palpitations ary ahoana no fomba atao ampitoniana izany ?

Inona no antony mahatonga ny rarin-tsaina miteraka palpitations ?

Rehefa misy rarin-tsaina ny olona iray dia mamoaka hormones iray mitovy fiasa amin’ny adrénaline ny vatana. Izany dia ho fiomanana amin’ny fihetsika asetrin’ny vatana amin’ny vokatry ny tebiteby ateraky ny rarin-tsaina. Ny famokarana izany hormones izany no mampitombo ny fitempon’ny fo ka mitarika ny palpitations.
Rehefa mitempo haingana be ny fo dia mahatsapa toy ny misy midobodoboka mafy ao amin’ny tratra, ao amin’ny atoka na koa ao amin’ny lohany ilay olona. Amin’ny ankapobeny moa dia mandalo ihany ary tsy misy tokony atahorana be loatra ny palpitations vokatry ny rarin-tsaina. Tsara foana ihany nefa ny manantona mpitsabo raha miverimberina matetika izany mba hijerana akaiky sao aretina na soritr’aretina no mahatonga izany.

Ahoana no atao raha manao palpitations ny olona iray ?

Raha manao palpitations nohon’ny rarin-tsaina ny olona iray dia misy ireo fihetsika azo atao mba ampitony izany fidoboky ny fo haingana loatra izany :
-Asiana lamba nolemana tamin’ny rano mangatsiaka eo amin’ny tampon-doha ;
-Mandeha an-tongotra miadana amin’ny lalana tsy miakatra fiakarana ;
-Mitroka rivotra amin’ny orona ary tazomina kely vao avoaka moramora amin’ny vava ;
-Avela hivoaka tsara daholo ny rivotra anatin’ny avokavoka mba hampihena ilay fitempon’ny fo.

Ireo fisorohana ny palpitations nohon’ny rarin-tsaina

Ny fahaizana mampitony sy manamboatra ny saina no fomba voalohany ahafahana misoroka ny palpitations vokatry ny rarin-tsaina. Ezahina ialana avokoa noho izany ireo toe-javatra mety mitarika rarin-tsaina. Mba ahatongavana amin’izany dia alamina tsara ny fandaharam-potoana amin’ny adavanandro mba tsy ho tototry ny asa aman-draharaha. Maka fotoana akana aina sy ialana voly hampitoniana ny saina. Manampy betsaka ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires