• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Forme Minceur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikolokolona ny vatana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny boisson detox

17/08/2023 10:38 © Moov.Mg

Ny fihinanantsika sakafo be am-bilia, matavy, be siramamy… amin’ny fiainana andavanandro dia manavesatra ary indraindray manampoizina ny vatantsika. Mba ho fikolokoloana ny vatana dia ilaina ny misotro boisson detox. Fa inona tokoa moa no atao hoe boisson detox ary inona no vokatsoa azo avy amin’izany ?

Inona no atao hoe boisson detox ?

Ny boisson detox na boisson détoxifiante dia zava-pisotro namboarina avy amin’ny zava-maniry, voankazo na legioma. Ireo akora miasa amin’ny fanadiovana ny ao anaty vatana sy amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina no ampiasaina amin’ny fikarakarana ny boisson detox. Matetika moa dia ireo izay miloko maitso na mavo, ireo mitahiry fibres ary ireo ahitana rano betsaka no safidiana manokana amin’izany. Amin’ny ankapobeny dia akora maro no afangaro hanamboarana ny boisson detox. Misy ihany koa nefa ireo ahitana akora iray fotsiny ihany. Tsy andrahoina ireo voakanzo, legioma na zava-maitso hikarakarana boisson detox mba ho voatahiry avokoa ireo singa ilaina aminy. Tsy mampiasa siramamy ihany koa rehefa manao ity zava-pisotro ity.

Ireo vokatsoa entin’ny boisson detox eo amin’ny vatana

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fisotroana boisson detox. Anisan’izany ny :
-Fanadiovana tanteraka ny ao anaty no izy manala ireo tavy sy siramamy avy amin’ny sakafo izay mety manampozina ny vatana ka manakorontana ny fahasalamana ;
-fanatsarana ny fandevonan-kanina noho ireo akora ampiasaina mitahiry fibres betsaka ;
-fanampiana amin’ny fanenana tena amin’ny alalan’ny fanesorana ireo tavy tsy ilain’ny vatana ;
-fanomezana tanjaka ny vatana sy fampitomboana ny hery fiarovana noho ireo akora manankarena otrik’aina mampatanjaka.

Ireo boisson detox tsotra azo karakaraina ao an-trano

Zava-pisotro mahasoa izay mora karakaraina sy tsy lafo vidy ny boisson detox. Manana tombony tanteraka amin’ny fikarakarana azy ireny isika eto Madagasikara noho isika manankarena voankazo sy legioma. Ireto ary misy boisson detox tsotra azo amboarina ao an-trano :
Boisson detox avy amin’ny voasary sy karaoty
Ity boisson detox avy amin’ny voasary sy karaoty ity no sotroina raha te hatanjaka sy hampitombo ny hery fiarovana amin’ny vatana. Ny zavatra ilaina raha hikarakara izany dia voasary 2, voasarimakirana 1, karaoty lehibe 1 ary rano 1 vera. Potserina ny voasary sy ny voasary makirana ahazoana ny ranony. Kikisana ny karaoty ary fihizina ny ranono, afangaro ireo rehetra ireo ary tapohina ilay rano iray vera. Sotroina isa-maraina mandritra ny telo andro.
Boisson detox avy amin’ny concombre, voasary makirana sy sakamalaho
Raha maniry hanadio tanteraka ny ao anaty vatana dia ity boisson detox iray ity no sotroina. Mora karakaraina ihany koa ity farany. Ny zavatra ilaina amin’ny fikarakarana dia voasary makirana 1, concombre 1, sakamalaho 1, rano 1 vera. Sasana tsara avokoa ireo akora ireo. Zaraina roa ny voasary makirana ary esorina ny vaoniny. Voasana ny concombre ary tetehina lehibe. Tetehina antonony ny sakamalaho. Miaraka potserina anaty mixeur ireo akora rehetra ireo miaraka amin’ilay rano 1 vera. Sotroina isaky ny hariva mandritra ny telo andro.

Lire la suite

Articles Similaires