• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Point
Image
Fahasalamana&Sakafo

Règle douloureuse : Torohevitra ampitoniana ny fanaintainana

16/08/2023 15:08 © Moov.Mg

Tsy vitsy ny vehivavy sy ny tovovavy mitaraina marary ao amin’ny kibo na ny valahana rehefa tonga ny fadimbolana. Fa inona tokoa àry ireo antony mety mahatonga ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana, ary ahoana ny fomba atao ampitoniana izany ?

Ireo antony mahatonga ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana

Tsy aretina ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana (dysménorrhée na règle douloureuse). Samy mety ho tratran'izany avokoa ny vehivavy rehetra, na ireo mpitovo, na ireo manambady. Maharitra 1 hatramin’ny 3 andro moa izany fanaintainana izany.
Misy karazany roa moa ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana :
Misy ny atao hoe dysménorrhée primaire izay fanaintainana niseho efa hatramin'ny vao tonga fotoana voalohany indrindra. Ity farany dia vokatry ny fikaikonan’ny tranon-jaza (contraction utérine) rehefa miezaka mamoaka ny rà maloto ao anaty ilay tranon-jaza. Mety hoe mivaingana ihany koa ilay raha ka voatery mikaikona mafy kokoa ny tranon-jaza mba amoahana izany.
Etsy andaniny, misy ny atao hoe dysménorrhée secondaire izay fanaintainana mandritra ny fadimbolana vokatry ny fiovanan'ny toe-batana efa taona maro aty aoriana. Raha misy soritr’aretina mampanahy hafa toy ny rà be loatra, rà ivelan’ny fadimbolana, fanaintainana rehefa manao firaisana ara-nofo… dia mila manantona mpitsabo sao aretina no mahatonga ilay marary.

Ahoana ny fomba atao hampitony ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana ?

Rehefa miseho ilay fanaintainana mandritra ny fadimbolana dia mahatsapa marary manindrona ao amin’ny faritry ny kibo sy ny valahana. Etsy andaniny dia mety mahatsiaro fanina, maloiloy, marary an-doha, reraka be ny vatana… Maro ireo vehivavy tsy mahavita manao zavatra na mitsangana eo am-pandriana rehefa mitranga ny dysménorrhée.
Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy izany fanaintainana izany. Misy ihany koa nefa ireo torohevitra tsotra azo atao mba hampitoniana ny règle douloureuse. Anisan’izany ny :
-Fampiasana « bouillote » na ny fametahana rano mafana anaty tavoahangy eo amin’ny kibo sy ny lamosina. Izany hoe asiana rano mamay ao anaty tavoahangy vy ary fonosina lamba kely mba tsy handoro rehefa mikasika amin’ny hoditra ;
-mizatra mihinana sakafo be fer, cuivre, zinc, magnésium ary calcium, indrindra mandritra ny fadimbolana. Tsy adinoina ny misotro rano tsy latsaky ny 1,5 l isan’andro ;
-orina amin’ny baume anti-inflammatoire ny kibo, ranjo, voditongotra ary azo hosorana ihany koa ny soroka sy ny firifana raha toa ka marary an-doha ;
-misotro dite sakamalaho sy tantely tsara iray vera mandritra ny fadimbolana. Atao mamay tsara. Sotroina maraina sy hariva.

Raha toa ka marary tsy zaka ilay fanaintainana mandritra ny fadimbolana dia tsara raha manantona mpitsabo. Misy mantsy ny fanafody natokana ho an'ireo vehivavy tena mijaly rehefa tonga fotoana. Tsara nefa ny manaraka ny karazana fanafody sy ny fatra isorohana ny mety ho olana amin'ny fiterahana any aoriana. Ampahatsiahivina hatrany fa saropady ny tranonjaza ka tsy azo atao ny mihinana fanafody tsy nolazain'ny mpitsabo na inona na inona antony.

Lire la suite

Articles Similaires