• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitaizana : tandremo ny manoroka zazakely eo amin’ny molotra

16/08/2023 11:42 © Moov.Mg

Maro ireo ray aman-dreny manana fahazarana manoroka ny zanany mbola kely eo amin’ny molotra. Na dia fihetsika mifono fitiavana aza izany dia mila fadiana satria mety mampidi-doza amin’ny fahasalaman’ny zaza. Inona ary ny mety ho vokadratsin’ny manoroka zazakely eo amin’ny molotra ?

Manoroka zazakely eo amin’ny molotra: mety mamindra aretina amin’ny zaza

Mbola tsy lavorary ny vatan’ny zazakely ary mbola marefo ny hery fiarovana ao aminy. Noho izany dia mora andairan’ny aretina kokoa izy ireny raha oharina amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe. Maro tokoa ireo viriosy sy mikraoba mety mifindra amin’ny zazakely vokatry ny fanorohana azy eo amin’ny molotra. Anisan’ny aretina mety aterak’izany ny gripa, ny sery, ny aretin’ny ati-vava ary indrindra ihany koa ny herpès labial. Mety misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava ny zazakely rehefa any aoriana ihany koa ny fanorohana azy amin’ny molotra.

Mety mahafaty ny zazakely ny herpès labial

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, fa mety mifindra amin’ny alalan’ny oroka sy amin’ny fifampikasohana amin’ny hoditry ny olona marary ny herpès labial. Tsy voatery hisy soritr’aretina ny olona mitondra ny herpès labial nefa efa mety mamindra amin’ny hafa. Raha misy olon-dehibe voan’ity aretina ity manoroka zazakely amin’ny molotra dia hifindra amin’ilay zaza izany. Rehefa tafiditra anaty rà ilay viriosy ny herpès labial dia vao maika marefo ny hery fiarovan’ilay zaza. Mipoitra ny karazana soritr’aretina toy ny fanaviana, aphte, fikorontanan’ny fiasan’ny aty, ny voa… Mety miteraka tsy fahatomombanana amin’ny fahasalaman’ny zazakely ary mitarika hatramin’ny fahafatesany ny fiparitahan’ny herpès. Tsy azo atao noho izany ny manorokoroka zazakely, indrindra amin’ny molotra. Tsy mahazo manao izany na ny ray aman-dreny na ny mpitsidika ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires