• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goûter gasigasy : atoro anao ny fikarakarana mofo voatavo

11/08/2023 16:44 © Moov.Mg

Ny fikarakarana mofo voatavo indray ary no aro anao anio. Azo atao goûter ho an’ny ankizy amin’izao fialantsasatra izao fa azo atao fitadiavam-bola ihany koa satria samy mankafy izany na ny kely na ny lehibe.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo voatavo

Voatavo antitra na ilay mavo tsara ireny 250 g
Lafarinina 250 g
Siramamy arak’izay fatra tiana
Atody 2
Menaka hanendasana ny fangaro

Ny fomba fikarakarana ny mofo voatavo

Voasana ary tetehina atao somary lehibebe ny voatavo. Andrahoina amin’ny rano anaty vilany. Tsy atao masaka be loatra fa avela angotraka eo amin’ny 10 minitra eo dia esorina ambony afo. Tsihifina tsara ary atao anaty saladier na koveta sahaza ny habetsany. Potserina amin’ny sotro rovitra ary avela mangatsiaka.
Maka lovia jobo iray ary kapohina ao ny atody. Arotsaka ao anatin’ity farany ny lafarinina ary aroroina tsara. Afaka tapohana rano raha toa ka marihatra loatra. Rehefa mangatsika tsara ny voatavo dia afangaro amin’ilay lafarinina sy atody. Arotsaka ihany koa ny siramamy. Atao mifangaro tsara ary tokony mahazo pâte somary marihitra, izany hoe tsy matsora nefa tsy maina be ihany koa.
Miditra amin’ny fanendasana amin’izay. Afanaina ny menaka anaty lapoaly na anaty saba. Rehefa mafana tsara ny menaka dia loarana amin’ny sotro fihinana ny pâte ary asosa mora anaty lapoaly. Avela somary mendy ny mofo avy eo avadika. Rehefa hita fa somary mibontsina sy mendimendy dia masaka izy izay. Tsihifina tsara ary apetraka eo ambony lovia.

Lire la suite

Articles Similaires