• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bébés Et Mamans
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankizy misy aphte : inona no tokony atao ?

11/08/2023 10:39 © Moov.Mg

Ratra kely ao am-bava mampijaly ny ankizy tokoa ny aphte. Matetika mipoitra izy ireny anatin’ny fahazazana ary mihena tsikelikely izany rehefa mitombo ny taona. Tsy tokony misy atahorana ny aphte na dia mety marary sy manelingelina tokoa aza amin’ny andavanandro. Inona ary no azo atao mba hampitony sy hanasitranana ny ankizy misy aphte.

Ahoana no ahafantarana ankizy misy aphte ?

Ny aphte dia karazana ratra kely manaintaina eo amin’ny faritry ny ati-vava. Ao anatin’ny molotra, ao anatin’ny takolaka, eo amin’ny akanjo nify na eo amin’ny lela mahazana no ahitana azy ireny. Manodidina ny faha telo taonan’ny ankizy no mipoitra ny aphte, ary mety miverimberina matetika izany. Mihena miandalana miaraka amin’ny fitomboan’ny taona ny ankizy ny fisehon’izy ireny.
Amin’ny voalohany ny aphte dia miendrika ratra kely somary boribory, mivaramena sy manaintaina. Avy eo miova maka loko somary mavo na fotsy iodidinan’ny faritra mena izy ireny. Manodidina ny 2 hatramin’ny 10 mm ny habeny. Anisan’ny fomba ahafantarana ankizy misy aphte ny fitarainany marary rehefa misakafo na rehefa miborosy nify.

Inona no mahatonga ny ankizy misy aphte ?

Tsy fantatra mazava ny antony mahatonga ny ankizy misy aphte. Misy kosa nefa ireo anton-javatra mety mandrisika ny fipoitran’izy ireny, anisan’izany ny :
Arerehana ;
Rarin-tsaina ;
Tsy fahazakana sakafo marikivy na mamay ;
Ny fihinana sakafo izay mety mitarika aphte amin’ny ankizy, toy ny voasary, voatabia, chocolat… ;
Tsy fahampiana vitamines ;
Fampidirana tanana na zavatra maloto misy mikraoba ao am-bava.

Ahoana ny fomba atao hitsaboana ny aphte ?

Sitrana ho azy ary afaka tanteraka ny aphte eo amin’ny 10 hatramin’ny 15 andro eo. Noho izany dia tsy dia misy fitsaboana atao hanatsitranana azy ireny. Ny tokony atao kosa nefa dia ny mampitony ny fanaintainana ary misoroka ny hipoitrany amin’ny ho avy.

Misy ireo fomba natoraly azo atao ampitoniana ankizy misy aphte. Anisan’izany ohatra ny fanaovana gararaka amin’ny rano iray vera nasiana karibonetra 2 tsongon-tanana. Azo atao ihany koa ny manosotra tantely eo amin’ilay ratra kely mba ampitoniana ilay marary. Atao indroa isan’andro ireo torohevitra ireo. Afaka manantona mpitsabo ihany koa mba ahazo ny fanafody mampitony ny fanaintainana vokatry ny aphte.

Ankoatra izay dia tandremana tsara ny sakafon’ny ankizy misy aphte. Tsy omena sakafo marikivy, be sira na mamay satria vao maika mampitombo ny fanaintainana izy ireny. Mba hisorohana ny fipoitran’ny aphte dia mila arahina maso hatrany ny fanadiovana ny nify sy ny ati-vavan’ny ankizy. Tsy avela mihinana ireo karazana sakafo tsy zakany izy ary indrindra, raràna mba tsy hanao reraka loatra rehefa milalao.

Mila entina any amin’ny mpitabo ny ankizy misy aphte raha miverina matetika loatra ity farany. Toy izany ihany koa raha ahitana soritr’aretina hafa toy ny fanaviana, arerahana lalina, aphte maro ao anaty vava, marary an-doha, mandoa na koa tsy afaka anatin’ny roa herinandro ny aphte.

Lire la suite

Articles Similaires