• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goûter ho an’ny ankizy : ‘ndao hanao tarte aux fraises !

10/08/2023 21:36 © Moov.Mg

Anisan’ny mahavaky saina antsika ray aman-dreny ny mitady ny ho atao goûter an’ny ankizy amin’izao fialantsasatra izao. Vokatra izao ny fraises ka atoro anao eto ary ny fomba tsotra fikarakarana ny tarte aux fraises.

Ireo zavatra ilaina raha hanao tarte aux fraises

Ireo ilaina hikarakarana ny pâte à tarte
-Lafarinina 200 g
-Dibera 80 g
-Sira iray tsongo
-Siramamy iray sotro kely
-Rano mangatsiaka 40 à 50 ml
Ireo zavatra ilaina hikarakarana crème pâtissière
-Ronono 40 cl
-Tamenak’atody 3
-Siramamy 80 g
-Maïzena 40 g
Ireo ilaina hanaovana ny tampon’ny tarte
-Fraises 500 g
-Siramamy vovony manify

Fomba fikarakarana

Ny fomba fikarakarana ny pâte à tarte
Atao anaty saladier lehibe ny lafarinina, sira sy siramamy. Tetehina atao dé ny dibera malemy (tsy mivaingana) ary afangaro amin’ny lafarinina. Ny lohan’ny ratsan-tanana no ampiasaina hampifangaroina izany. Tsy ajanona raha tsy mahazo fangaro miendrika fasika. Arotsaka ny rano ary polesina hahazo boule ilay fangaro. Fisahina ilay pâte, apetraka anaty moule, tsindrotsindromina amin’ny sotro rovitra ary andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 15mn.
Fomba fikarakarana ny crème pâtissière
Ampangotrahana ny ronono. Etsy andaniny, kapohana (amin’ny fouet) miaraka ny tamenak’atody, ny siramamy sy ny maïzena. Tapohana tsikelikely amin’ny ronono mangotraka ilay fangaro sady kapohana hatrany. Averina ataingina anaty vilany eo ambony afo antonony ny fangaro ary avela harihitra. Rehefa izay dia afindra anaty bol lehibe ary fonosina film alimentaire ary avela hangatsiaka.
Famaranana ny fikarakarana
Apetraka eo ambonin’ilay pâte à tarte masaka ny crème pâtissière. Atao mihosotra miparitaka tsara. Etsy ankilany, sasana madio ny fraises ary zaraina roa manaraka ny halavany ny fraise tsirairay. Alahatra eo ambonin’ilay crème pâtissière ny fraise rehetra ary rarahana ilay siramamy vovony manify eo ambony. Ampidirina kely anaty vata fampangatsiahana mba hangatsiaka ary afaka hoanina avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires