• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fizimed
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy avy niteraka : ahoana no atao rehefa kaikerin’ny pia ?

09/08/2023 11:40 © Moov.Mg

Tranga iray mampijaly sy mampitaraina ny vehivavy avy niteraka ny hoe kaikerin’ny pia. Matetika moa izy io dia afangaron’ny olona amin’ny sovoka. Zavatra roa samy hafa tokoa anefa izany. Andeha ary ho resahina eto ny atao hoe pia sy ny fisehony ary ireo azo atao hampitoniana ny fanaitainana.

Inona no atao hoe pia na ilay hoe kaikerin’ny pia ?

Rehefa avy teraka ny vehivavy dia mety mahatsapa marary toy nidiran’ny rivotra na koa toy ny mihetsi-jaza. Matetika dia mamaly any an-damosina ilay fanaintainana. Ny fikaikonana tampoka ataon’ny tranon-jaza no anton’izany fanaintainana izany ary izay no atao hoe pia. Tsy tokony misy atahorana ary trangan-javatra ara-boajanahary ny pia. Ity farany tokoa mantsy no manampy ny tranon-jaza hiverina hamin’ny habeny talohan’ny nitondrana vohoka. Ny pia ihany koa no manampy ny vatana hamoaka ny ambina rà izay mety mbola tavela ao anaty tranon-jaza.
Ny vehivavy niteraka ny zaza voalohany dia mety tsy mahatsapa ilay kaikerin’ny pia na dia efa misy pia aza. Manomboka eo amin’ny fiterahana zaza faharoa no hahenoina ilay marary. Mihamafy miaraka amin’ny habetsaky ny zaza ateraka ilay fanaintainana. Izany hoe marary kokoa ilay kaikerin’ny pia rehefa miteraka ny zaza fahatelo mihoatra ny tamin’ny zaza faharoa. Maharitra roa na telo andro aorian’ny andro niterahana izy io fa mety ihany koa maharitra mandritra ny 10 andro eo amin’ny vehivavy sasany.
Mety tsapa manaikitra marary kokoa ny pia eo amin’ny reny mampinono satria mety mamporisika ilay fikaikonan’ny tranon-jaza ilay mampinono. Matetika moa vetivety kokoa ny fanaintainana ho azy ireny satria mora mivoaka ilay rà tavela ao amin’ny tranon-jaza.

Inona no atao rehefa kaikerin’ny pia ?

Satria moa efa fantatra fa ilaina ny pia dia tsy azo atao noho izany no manafoana izany (ilay fikaikon’ny tranon-jaza). Azo atao kosa nefa ny mampitony ilay fanaintainana mba tsy hampijaly loatra ilay reny. Ny fihinanana fanafody fanalana fanaintainana omen’ny mpitsabo moa no fomba azo antoka indrindra amin’izany.
Misy ihany koa etsy andaniny ireo fomba natoraly mety manampy amin’ny fampitoniana ny pia toy ny hoe misotro ranona mangahazo na rano mafana be, asiana rano mafana amin’ny tavoahangy eo ambany kibo sy lamosina, horina moramora eo ambany voditongotra sy aorian’ny ranjo.
Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka manavy, mihoatra ny 10 andro ny fijaliana amin’ny pia, marary tena tsy zaka mihitsy, misy tsiranoka mantsina toy ny fofon-trondro, be loatra ny rà mandeha (mahafeno serviettes 4 ao anaty adiny 2).

Lire la suite

Articles Similaires