• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Healthdirect
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zazakely : Ahoana no fomba atao hanesorana ny taikombondoha ?

08/08/2023 08:33 © Moov.Mg

Misy ohatra ny angandrano ny volo, ny volomaso na/sy ny tarehin’ny zazakely ? Ireny no antsoina hoe taikombondoha. Tsy misy atahorana ny fisian’ireto farany. Mety mihabetsaka kosa nefa izy ireny ary hanelingelina ny maso ny mijery izany. Atoro anao eto ary ny fomba fanesorana ny taikombondoha.

Inona no atao hoe taikombondoha ?

Ny taikombondoha, antsoina ihany koa hoe « croûte de lait » dia ilay karazana potipotika hoditra mavomavo na hoditra toa ny mihofakofaka miraikitra eo amin’ny hodi-dohan’ny zazakely. Mety mihitatra eny amin’ny volomaso, ny sofina ary ny tarehin’ny zaza ihany koa izany. Maro ireo olona manana hevi-diso mieritreritra fa vokatry ny tsirambina amin’ny fahadiovan’ny zaza ny taikombondoha.
Ny marina nefa fa vokatry ny famokarana menaka (sébum) be loatra avy amin’ny vatana no mahatonga azy ireny. Izay moa ilay antsoina hoe taikombondoha maina, hita amin’ny ankamaroan’ny zazakely. Mahazana moa dia eo amin’ny roa herinandro aorian’ny naterahan’ny zaza no mipoitra ny taikombondoha ary mijanona ho azy izany manodidina ny faha enim-bolany.
Misy ihany koa etsy andaniny ny taikombondoha vokatry ny allergie na ilay atao hoe taikombondoha mando. Izany hoe ateraky ny fikasohana amin’ny produits tsy zakan’ny hoditry ny zaza, toy ny savony, lait de toilette…

Ireo torohevitra hanesorana ny taikombondoha

Tsy misy voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ny zaza raha ny taikombondoha maina manokana. Amin’ny ankapobeny moa dia tsy manelingelina na marary azy ihany koa izy ireny. Marihina kosa nefa fa mihombo ny taikombondoha maina ary mety hitambatra be sy handrakotra ny tampon-doha sy ny andrin’ny zaza. Mety hanelingelina ny mason’ny ray aman-dreny na ny olona mijery noho izany ny fahitana izany. Ny taikombondoha mando kosa dia mila fizahan’ny mpitsabo mba ahazoana ny fitsaboana sahaza izany.
Misy fomba tsotra azo atao hanesorana ny taikombondoha maina amin’ny zazakely :
-Osorana rononon-dreny vao avy noterena ny hodi-doha misy ny taikombondoha, hogoina moramora ny volony avy eo sasana. Tandremana tsara mba ireny fihogo kely malefaka natokana ho an’ny volon’ny zazakely ireny no ampiasaina.
-Osorana menaka vita avy amin’ny zava-maniry, toy ny huile d’amande douce, diloilo coco… ny hodi-doha misy taikombondoha. Tsara raha eo amin’ny 30 mn alohan’ny hampandroana ny zaza no hanaovana izany mba hilona kely ilay menaka ka ho mora afaka ilay taikombondoha rehefa sasana ny volon’ny zaza. Hogoina moramora ny volo mbola mando hanesorana ireo taikombondoha tavela.
Satria moa avy amin’ny famokarana menaka be loatra avy amin’ny vatan’ny zaza no mahatonga ny taikombondoha dia mila tandremana tsara mba hiala tsara ny fampiasana ny menaka hanesorana izany. Izany hoe esorina tsara ny menaka amin’ny volon’ny zaza mba tsy hampiforona taikombondoha hafa indray. Sasana tsara ihany koa ny fihongon-jaza avy nampiasaina mba tsy hamerenana ny taikombondoha nesorina amin’ny lohan’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires