• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mpivady : azo atao ve ny mitambatra borosy nify ?

07/08/2023 17:12 © Moov.Mg

Maro ireo mpivady no mitambatra fitaovana maro ao an-tokantrano, anisan’izany ny borosy nify. Azo atao ary tsy misy atahorana amin’ny fahasalamana ve ny mitambatra borosy nify amin’ny vady ? ‘Ndeha ho resahina eto ireo zava-dehibe tsara fantatra mahakasika ny fampiasana borosy nify.

Fitaovana tsy tokony hitambarana ny borosy nify

Fitaovana iray ampiasaina hikolokoloana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny nify amin’ny andavanandro ny borosy nify. Ity fitaovana ity tokoa no manala ireo bakteria sy ireo ambon-tsakafo tavela ao amin’ny ati-vava sy mijanona ao amin’ny nify. Mazava ho azy arak’izany fa tokony samy manana ny borosy nifiny ny olona tsirairay.
Rehefa avy niborosy nify ihany koa ny olona iray dia mety ahitana bakteria miraikitra eo anelanelan’ny volon’ilay borosy nify. Raha tsy voadio tsara ihany koa ity farany dia vao maika mety hitombo ireo bakteria miraikitra aminy. Ireo bakteria ireo dia mety hanimba ny nify sy ny hihy rehefa mampiasa ilay borosy nify amin’ny fotoana maharitra. Raha mitambatra borosy nify ihany koa ny mpivady dia hifamindra izany areti-nify izany.

Inona ary ireo voka-dratsy ny mpivady mitambatra borosy nify ?

Anisan’ny voka-dratsy voalohany ho an’ny mpivady mitambatra borosy nify ny mety hifamindrana aretina ao amin’ny ati-vava, indrindra ny areti-nify. Miandrona eo amin’ny volon’ny borosy nify tokoa mantsy ny bakteria. Mikasoka mivantana amin’ny nify sy ny akanjo nify noho izany ireto farany ka mora kokoa ho azy ireny no mifindra amin’izy ireny.
Mety mifindra amin’ny alalan’ny borosy nify ihany koa ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora, toy ny sery sy ny gripa. Toy izany ihany koa ireo aretin’ny ati-vava toy ny aphte, ny herpès buccal… Marihana fa mety mifindra amin’ny alalan’ny fifanorohana ihany koa ny sery, gripa sy ny aretin’ny ati-vava. Izany indrindra matetika no mahatonga ny mpivady sasany tsy manisy olana amin’ny hoe mitambatra borosy nify. Anjaran’ny mpivady tsirairay noho izany ny misafidy na hitambatra borosy nify na tsia.

Lire la suite

Articles Similaires