• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza voan’ny nendramboalavo : ahoana no atao ?

07/08/2023 11:48 © Moov.Mg

Aretina mahazo no zaza sy ny ankizy ny nendramboalavo na « varicelle ». Miteraka hidihidy sy poa-drano manorisory amin’ny vatana ity aretina ity ka mety maro ireo ray aman-dreny feno fitaintainana rehefa tratran'izany ny zaza. Fa inona tokoa moa ny nendramboalavo ary ahoana ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe aretina nendramboalavo na « varicelle » ?

Ny nendramboalavo dia aretina vokatry ny otrikaretina antsoina hoe «varicelle-zona ». Aretina mora mifindra ny nendramboalavo ka matetika dia mora miparitaka na miteraka ilay atao hoe « épidémie ». Mifindra amin’ny alalan’ny fifaneraserana amin’ny olona efa voa ny nendramboalavo, indrindra amin’ny alalan’ny piti-drora na ny fikasoahana ilay mibontsimbotsina amin’ny vatana. Mety hamindra izany aretina izany ihany koa ny fikitihana zavatra voakasok’ilay marary.
Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana ny nendramboalavo. Ny zaza sy ny ankizy matetika no isehoan’ity aretina ity. Mety ho tratra ihany koa ny tanora na ny olon-dehibe mbola tsy voa tamin’ny fahazazana. Marihana fa rehefa voan'ny nendramboalavo ny olona iray dia miady amin’ilay otrik'aretina ny hery fiarovana ao aminy ka lasa toy ny hoe matory ao anatin’ny vatana ilay viriosy fa tsy maty. Raha toa ka miverina mifoha ity farany dia lasa mahatonga aretina iray atao hoe zona. Ny olon-dehibe moa matetika no tratr’izany.

Ireo soritr'aretina ahafantarana ny nendramboalavo

Afaka 10 hatramin'ny 21 andro taorian'ny nidiran’ny viriosy tao anaty vatana no mipoitra ny soritr'aretin’ny nendramboalavo. Ireto avy ary ireo famantarana fa voan’ity aretina ity ny zaza na ankizy iray :
-Marary loha
-Mikohaka kely
-Manavy
-Misy lelo
-Misy mibontsina menamena misy rano mipoitra amin'ny vatana. Marihina moa fa ireo poa-drano ireo no mitahiry ilay otrik’aretina ka mila tandremana izy ireny tsy ho vaky.
-Mangidihidy sy malailay ny vatana misy ireo poa-drano.
Rehefa afaka 2 na 3 andro dia maina ny mibontsimbotsina ka tsy misy rano intsony ao anatiny. Mamela karazana ratra kely izay afaka aorian’ny herinandro izany. Matetika moa dia eo amin’ny kibo no mipoitra ireo poa-drano voalohany. Mihitatra any amin’ny hodi-doha, ny tarehy ary ny tanana sy tongotra izany. Mety ahitana ratra kely tahaka ny aphte ao anaty vava na koa manodidina ny fivaviana na ny filahiana.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny nendramboalavo ?

Tsy misy fomba fitsaboana azy ny nendramboalavo noho izy azo avy amin’ny viriosy. Ny hery fiarovana no miady amin’ny otrik’aretina. Azo atao kosa ny mampitony ny fijalian’ny marary. Izany hoe manome fampidinana hafanana raha manavy, mampiasa fanafody ahosotra toy ny bétadine na éosine hanamainana ireo poa-drano.
Mila mitandrina tsara ny marary mba tsy ho vaky ireo poa-drano ateraky ny nendramboalavo. Tsara noho izany raha tsy mihaotraotra ary tapahana ny hoho mba tsy handratra raha sendra tafihaotra. Tsy atao milona rano ela loatra ny zaza voan’ny nendramboalavo rehefa mandro, tsy fafana ny hoditra fa apetapetaka moramora eo fotsiny ny lamba, diovina tsara amin’ny eau de javel ny lamba, serviette, akanjo… avy nampiasaina tamin’ilay marary.

Lire la suite

Articles Similaires