• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Union.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : torohevitra mahasoa ho an’ny mpiasa birao

04/08/2023 15:38 © Moov.Mg

Tsy mora tokoa ny asa birao, indrindra ny miasa eo amin’ny solosaina mandritra ny tontolo andro. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny maso sy ny lamosina izany raha tsy mitandrina ny mpiasa. Ireto ary misy torohevitra ara-pahasalamana vitsivitsy natao ho an’ireo mpiasa birao.

Ireo fahazarana mila ataon’ny mpiasa birao hisorohana ny areti-maso

Toy ny écrans rehetra dia mamoaka ilay hazavana antsoina hoe « lumière bleue » ny solosaina. Ka rehefa miasa mandritra ny ora maro eo amin’ny solosaina ny olona iray dia miha vizaka ny masony ka lasa maina, mangirifiry na mangidihidy. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety mitarika areti-maso izany. Mba hisorohana izany aretina izany dia mila mihato isaky ny adiny iray ny mpiasa birao mampiasa solosaina ary mijery alavitra mandritra ny 2 na 3 minitra. Mila mampiasa ireny antsoina hoe « filtre écran » ireny ihany koa mba hiarovana ny maso amin’ny lumière bleue. Efa misy eny amin’ny mpivarotra ny solomaso ihany koa ny verres anti-lumière bleue izay mety amin’ny olona tsy marary maso. Tsy adinoina ny mizaha maso indray mandeha isan-taona mba hitsaboana azy ireo raha ilaina. Ary farany, tandremana mba ho ampy 50 santimetatra ny elanelana eo amin’ny maso sy ny solosaina rehefa miasa.

Ireo fahazarana manampy amin’ny fisorohana ny aretin-damosina

Ny ankamaroan’ny mpiasa birao dia mipetraka eo amin’ny birao mandritra ny tontolo andro. Rehefa mipetraka ela loatra nefa ny olona iray dia manjary miforitra mandritra ny fotoana maharitra ihany koa ny taolan-damosina ary voaporitra avokoa ny ritsoka rehetra. Mazava ho azy fa rehefa ela ny ela dia lasa miteraka aretin-damosina izany. Mba hisorohana izany dia mila maka fotoana hitsaharana ny mpiasa birao. Mitsangana mihintsy, mihetsiketsika ary atao mihinjitra tsara ny lamosina sy ny sandry rehetra iny. Izany dia mba hanenjanana ny hozatra sy ny taolan-damosina izay avy niforitra ela. Atao mahintsy tsara ihany koa ny seza fipetrahana ary miankina tsara. Tsy adinoina ny manao fanatanjahantena in-droa isan-kerinandro farafahakeliny mba hampihetsiketsika ny vatana, indrindra ny lamosina.

Inona kosa ny sakafo tsara hoanina ?

Ny vitamine A no anisan’ny sakafo atao loha laharana ho an’ireo mpiasa birao mampiasa solosaina. Izany dia mba hiarovana ny fahasalaman’ny maso. Efa voaporofo ara-tsiansa tokoa fa ny fihinanana sakafo be vitamine A dia mampatanjaka ny maso ka mahatonga azy tsy ho mora simban’ny solosaina. Anisan’ireo sakafo ahitana vitamina A ny karaoty, voankazo sy legioma miloko mavo, ny atin-kena, ny voatabia… Mba hisorohana ny aretin-damosina kosa dia ilaina ny mihinana sakafo manankarena antioxydant sy ny manankarena omega 3, toy ny tongolo gasy, ny legioma, ny tamenak’atody, ny trondro matavy…

Lire la suite

Articles Similaires