• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minute Conso
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy tokony hoanina aorian’ny sakafo tokoa ve ny voankazo ?

04/08/2023 11:48 © Moov.Mg

Hatramin’izay dia nataontsika tsindrin-tsakafo ny voankazo. Tato ho ato nefa dia maro ireo milaza fa tsy tokony hoanina aorian’ny sakafo ny voankazo. Mba ahafantarana misimisy mahakasika izany filazana izany dia andeha ho resahina ny fotoana tsara hinanana ny voankazo.

Inona no antony tsara hinanana voankazo ?

Anisan’ny sakafo ankafizin’ny ankizy sy ny olon-dehibe ny voankazo noho izy ireny mamy, be rano, mangatsitsiaka mampody aina… Ankoatra ny hatsaran’ny tsirony dia mitondra vokatsoa maro amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinana azy ireny. Manankarena otrik’aina toy vitamines, fibres sy minéraux ny voankazo ka manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalamana. Manampy amin’ny fisorohana aretina maro toy ny homamiadana, aretin’ny fo, fahatavezana diso tafahoatra… ny voankazo. Fa inona tokoa ary ny fotoana tsara hinana azy ireny ?

Tsara kokoa ve ny mihinana voankazo alohan’ny sakafo ?

Araky ny fanazavana nataon’ilay nutritionniste vahiny Laura Tajan dia tsara ny mihinana voankazo minitry vitsivitsy alohan’ny sakafo. Tsy mety kosa hoy ity farany ny mihinana voankazo adiny iray na roa alohan’ny sakafo. Rehefa hoanina alohan’ny sakafo ny voankazo dia mitondra fibres amin’ireto farany ka manamora ny fandevonan-kanina. Raha toa kosa ka mihinana voankazo adiny iray na roa alohan’ny sakafo dia ilay voankazo no tonga voalohany ao amin’ny vavony ka manjary levona haingana ny siramamy anatin’ny voankazo ka mety hiteraka hypoglicémie amin’ny vatana izany.

Mety kokoa ve ny mihinana voankazo aorian’ny sakafo ?

Azo atao tsara ny mihinana voankazo aorian’ny sakafo. Tsara kosa nefa raha tsy miandry fotoana mihoatra ny 20 minitra aorian’ny sakafo no mihinana voankazo. Raha atao tsindrin-tsakafo ny voankazo dia lasa mifangaro amin’ireo sakafo nohanina teo aloha ary manampy ny vavony amin’ny fandevonana izany. Manatsara ny fiasan’ny tsinay ihany koa ireo singa hita ao amin’ny voankazo izay lasa nifangaro tamin’ny sakafo. Tsy tsara kosa ny mihinana voankazo 40 minitra ao aorian’ny sakafo satria efa manomboka miasa ny vavony amin’izany fotoana izany ka mety hampihisatra sy hampikorontana izany fiasany izany.

Lire la suite

Articles Similaires