• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madablog.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikarakarana sambos : tsakitsaky azo atao goûter na hitadiavam-bola

03/08/2023 11:10 © Moov.Mg

Anatin’izao fialan-tsasatra izao dia sahirana tokoa isika ray aman-dreny mitady ny goûter karakaraina ho an’ny ankizy. Atoro anao eto ary ny fomba fikarakarana sambosa, goûter mahavoky ny mpianakavy sady azo atao fitadiavam-bola ihany koa !

Ny zavatra ilaina amin’ny fikarakarana sambos

Mizara roa ny dingana atao amin’ny fikarakarana sambos, dia ny fanaovana ny fonosana (pâte) sy ny fanaovana ny sesika ao anatiny (farce).

Ny zavatra ilaina amin’ny fanamboarana ny fonosana sambos

-Lafarinina 250 g
-Rano tapaky ny kaopy
-Menaka sakafo 1 sotro fihinanana
-Sira iray tsongo

Ny zavatra ilaina amin'ny sesika anatin’ny sambos

-Toton-kena 250g
-Oignon 1
-Tongolo gasy voany 4
-Menaka sakafo 1 sotro fihinanana
-Atody 2
-Sira sy dipoivatra

Fomba fikarakarana ny sambos

Ny fikarakarana ny fonosana na pâte hanombohana azy.

Afangaro ao anaty vilia jobo ny lafarinina sy ny sira ary ny rano ary volavolaina amin’ny tanana mba ahazoana pâte miendrika boribory malefaka. Zaraina boribory telo ilay pâte avy eo fisahana. Hosorana menaka fihinana tapaky ny sotrokely mba tsy hanaraka ny tanana. Avy eo apetraka eo ambony latabatra ary kosehana amin’ny rouleau à patisserie ho fisaka manify tsara. Afaka mampiasa machine à pâte ihany koa raha misy. Atao eo ambony fatana misy afo malefaka ny lapoaly ary endrasana mahamay. Apretraka eo mandritra ny segondra vitsivitsy ny andaniny roa amin’ilay pâte nofisahana. Rehefa vita izay dia tapahana ny sisiny mba hahazoana pâte efajoro, avy eo zaraina telo na efatra arak’izay habeny tadiavina. Ao aorian’izay dia apetraka eo ambony lamba mandomado ny pâtes tsirairay.

Miditra amin’ny fikarakarana ny sesika atao anatin’ny sambos

Tetehana atao madinika tsara ny oignon sy ny tongolo gasy avy eo endasina. Rehefa manomboka miova loko izany dia arotsaka ao ny toton-kena, sira sy dipoivatra. Haroroana matetika ary rehefa hita fa masaka mendimendy dia avela hangatsiaka. Rehefa mangatsiaka dia arotsaka indray ny atody efa vita kapoka ary afangaro tsara.

Vita izay ny sesika ka miditra amin’ny fanamboarana ny sambos amin’izay. Alaina tsirairay ny fonosana ary apetraka eo amboniny ny fatran’ny farce arak’izay itiavana azy. Rehefa izay dia avalona miendrika telo zoro ilay pâte ary atao mikatona tsara. Afanaina amin’izay ny menaka. Tsara raha lapoaly somary jobo na saba no ampiasaina. Rehefa mafana tsara ny menaka dia arotsaka ny sambos. Raha manana friteuse dia atao 180°C ny hafanany hanendasana azy. Rehefa masaka dia esorina tao anaty lapoaly dia mahazo sambos mafilotra tsara azo atao goûter na koa hamidy atao fitadiavam-bola !

Lire la suite

Articles Similaires