• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ingelecgroup
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza feno « boutons rouges » ny vatana : Inona avy ireo sakafo mety tsy zakany ?

02/08/2023 16:58 © Moov.Mg

Misy pentina menamena na mandrotsirotsy mangidihidy mivoaka ve eo amin’ny tarehy na vatan’ny zaza ? Tandremo fa raha efa misakafo izy dia mety vokatry ny sakafo tsy zakany no mahatonga izany. Ndeha ary fantarina ireo karazana sakafo mety tsy zakan’ny zaza.

Zaza feno boutons rouges : mety tsy mahazaka ronono na vokatra avy amin’ny ronono

Anisan’ireo sakafo antsoina hoe « allergènes » ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono (produits laitiers). Ny allergènes moa dia ireo singa anaty sakafo mahatonga allergies na tsy zakan’ny vatana. Raha latsaky ny 2 taona ny zaza dia tsy tokony mbola ampisotroina ronono velona satria sarotra levonina ity farany ary mety mahatonga allergie. Toy izany ihany koa ny fromage malemy toy ny Vache qui rit, ny Teama… izay misy matières grasses mety tsy ho zakan’ny zaza ka mahatonga azy ho feno pentina mena na mangidihidy rehefa mihinana izany.

Ny voankazo miloko mena na hoe « fruits rouges »

Anisan’ireo sakafo mitahiry allergènes ka mahatonga ny zaza feno boutons rouges ny voankazo miloko mena na ny fruits rouges. Tafiditra anatin’izany ny fraises, framboises, cassis, voarohy… Raha mbola vao manomboka misakafo ny zaza na koa mbola latsaky ny 2 taona dia tsy tsara ny manome ireo karazana voankazo ireo azy satria mety mbola tsy zakany izany. Maro ireo zaza mivoaka pentina mena sy mivalana vao mihinana fraises.

Ny voanjo sy ireo karazana noix

Ny noix ihany koa dia voasokajy anatin’ireo sakafo tsy zaka mahatonga ny zaza feno boutons rouges. Ambony ny tahan’ny allergènes anatin’ireo karazana sakafo ireo ka maro ihany koa ny olon-dehibe tsy mahazaka izany. Tafiditra anatin’ny noix ny voanjo, ny mahabibo, ny noisettes, ny noix de macadamia… Mila mitandrina tsara noho izany rehefa manome totom-boanjo ny zaza ka raha tsikaritra fa misy pentina mena mivoaka amin’ny vatany na amin’ny tarehany rehefa avy mihinana izany dia ajanona avy hatrany.

Mila manantona mpitsabo raha mahatsikaritra boutons rouges amin’ny zaza

Tsy tokony atao tsirambina ny tsy fahazakan’ny zaza sakafo. Tsara foana ny manantona mpitsabo rehefa mahita izany tranga izany satria izy ireny ihany no afaka manome ny fitsaboana sahaza ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires