• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sud Ouest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiterahana : Inona no mahatonga ny vehivavy atao Césarienne ?

02/08/2023 10:46 © Moov.Mg

Efa manara-penitra ny fomba sy ny fitaovana anantanterahana césarienne raha ny eto Antananarivo. Tsikaritra nefa fa misy ireo hopitaly manararaotra ny mpiteraka ka mandrisika azy ireo ho didiana mba hahazoana vola betsaka kokoa. Ho fisorohana izany fanararaotana izany ary dia ‘ndeha resahina eto ireo antony mahatonga ny vehivavy tsy maintsy atao césarienne.

Atao césarienne ny vehivavy raha misy olana ny tranon-jaza

Rehefa misafo ny vehivavy mitondra vohoka dia zahan’ny rasazy na ny gynécologue ny fahasalaman’ny tranon-jazany. Raha ahitana olana amin’ity farany dia tsy maintsy atao césarienne ilay vehivavy mba hiarovana ny ainy sy ny zaza hateraka. Atao fandidiana ny vehivavy miteraka raha toa ka :
-efa natao césarienne in-droa ;
-misy fibrôme ao anaty tranon-jaza ;
-efa nisy vaky ny tranon-jaza teo aloha.

Raha tsy mety ny fipetraky (position) ny zaza ao an-kibo

Miteraka fahasarotana amin’ny fiterahana ara-boajanahary (voie basse) ny fipetraky (position) ny zaza ao an-kibo tsy ara-dalàna. Noho izany, mila atao césarienne ny vehivavy raha toa ka :
-ny vodin’ny zaza no any ambany fa tsy ny lohany (position siège) ;
-mitsivalana ny fipetraky ny zaza ao an-kibo (position transversale) ;
-ny lamosin’ny zaza no mitodika any amin’ny kibon’ny reniny satria mety lasa hitraka be izy raha mivoaka voie basse ka ho kenda (présentation de front) ;
-mitodika any amin'ny kibon'ny reniny ny kibon'ny zaza nefa mitohaka amin'ny taolana manodidina ny bassin (sacrum) ny saokany (présentation de face) ;
-ambanin’ny zaza ny ahitra (placenta praevia) satria mila mivoaka ao aorian’ny zaza ny ahitra raha teraka voie basse.

Raha lehibe loatra ny zaza ao am-bohoka

Misy fiantraikany amin’ny fanamorana na tsia ny fiterahana ny haben’ny zaza ao am-bohoka sy ny reny hiteraka. Raha toa ka lehibe loatra ilay zaza, 4 kilao ny mihoatra, nefa kely ny bassin an’ilay mpiteraka dia tsy maintsy atao césarienne ity farany. Toy izany ihany koa raha toa ka bevohoka kambana ilay vehivavy dia mila zahana ny fipetraky ny zaza ao am-bohoka. Raha misy iray manao position siège dia tsy maintsy atao ny fandidiana.

Raha misy aretina ny mpiteraka

Tsy maintsy atao césarienne ny vehivavy iray raha toa ka misy aretina mety hampidi-doza ny tenanany na ny zaza ateraka. Anisan’izany aretina izany ny :
-Aretina amin’ny taovam-pananahana izay mety mifindra amin’ny zaza raha atao voie basse ;
-aretin’ny fo na ny atidoha izay mety hahasarotra ny fanenana ;
-fiakaran’ny tosidrà ;
-aretin’ny voa ;
-diabeta vokatry ny fitondrana vohoka.

Ireo antony samihafa tsy nampoizina mahatonga ny fanaovana césarienne

Raha ahitana ireo antony voalaza teo ambony ireo ny mpiteraka dia efa fantatra mialoha fa ho atao césarienne izy. Faritan’ny mpitsabo amin’ny aloha izany ny fotoana handidiana sy haterahany. Misy kosa etsy andaniny ireo vehivavy mitondra vohoka efa niomana ny hiteraka amin’ny fomba ara-boajanahary nefa tsy maintsy didiana tampoka. Ireto avy ireo antony mety hahatonga izany :
-Mijaly tsy mahazo aina ny zaza ao am-bohoka ;
-mandeha rà be loatra mandritra ny andro mialoha na mandritra ny fotoana hiterahana ;
-tsy mipetaka amin’ny tranon-jaza intsony ny ahitra (décollement placentaire) ;
-tsy misokatra ny vozon’ny tranon-jaza eo am-piterahana ;
-tsy manosika mivoaka ny zaza eo am-piterahana na efa nampiasaina ireo fomba rehetra mifanaraka amin’izany aza..
Mbola maro ireo antony ilaina fandidiana maika ny vehivavy eo am-piterahana ary anjaran’ny mpitsabo mpampiteraka no mamaritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires