• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Artistry Clinic
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasolana na « calvitie »: antony sy fomba fisorohana ny loha sola

01/08/2023 10:06 © Moov.Mg

Maro ny olona manana olana amin’ny fihintsanan’ny volo. Raha toa ka miongotra be loatra ny volo dia mety hiteraka fahasolana mihintsy izany. Fa inona tokoa no mahatonga olona ho lasa sola ? Inona ny fisorohana sy ny fitsaboana azo atao ?

Inona no atao hoe fahasolana na « calvitie » ?

Ny atao hoe « calvitie », antsoina ihany koa amin’ny voambolana siantifika hoe « alopécie », dia ny fahasolan’ny volon-doho amin’ny ampahany na amin’ny loha iray manontolo. Ny lehilahy matetika no isehon’izany tranga izany, fa mety ho voa ihany koa ny vehivavy. Amin’ny ankapobeiny dia manomboka miseho izany fihintsanan’ny volo miteraka fahasolana izany manodidina ny faha 25 sy 35 taona ny lehilahy. Na izany aza dia ireo olona 45 taona no mihoatra matetika no tratra izany.
Miseho tsikelikely ny fahasolana eo amin’ny olona iray. Amin’ny voalohany dia tsikaritra fa betsaka kokoa ny volo mihintsina rehefa mibango volo na rehefa manasa loha. Avy eo manomboka lasa misy faritra miha manify ny volo eo aminy. Matetika dia eo amin’ny faritry ny andrina no ahitana izany. Eo amin’ny lehilahy dia mihitatra mihemotra mankany amin’ny tampon-doha ilay faritra sola ka ny tapany ambany amin’ny loha sisa no tsy sola.

Ireo antony mahatonga ny fahasolana na calvitie

Ny tarazo na hérédité no antony voalohany mahatonga ny fahasolana, indrindra eo amin’ny ankabeazan’ny lehilahy. Izany hoe raha misy sola ny iray amin’ny ray aman-dreny dia mety ho sola ihany koa ny zanany any aoriana. Izany fahasolana vokatry ny tarazo izany no antsoina hoe « alopécie androgénétique ». Mety miteraka fahasolana eo amin’ny lehilahy ihany koa ny fisian’ny hormones lahy amin’ny tahany ambony loatra.
Antony iray lehibe miteraka fihintsanan’ny volo sy fahasolana ihany koa ny rarin-tsaina sy ny havizanana matetika loatra. Ankoatra izay, tsikaritra fa mitarika fihintsanan’ny volo amin’ny loha sy amin’ny vatana ny fitsaboana toy ny « chimiothérapie » sy ny « radiothérapie ». Ny tsy fahampiana fer ao amin’ny vatana ihany koa dia mahatonga fahasimban’ny volo sy fihintsanan’izany. Ary farany, ny aretin-koditra toy ny champignon ihany koa dia mety mampisy fahasolana amin’ny faritra iray amin’ny loha.

Ahoana no fomba atao mba hitsaboana ny « calvitie » ?

Raha toa ka mihintsana be ny vola na ahitana faritra sola dia tsara ny manantona mpitsabo mba ahazoana ny fitsaboana sahaza izany. Misy ireo fanafody manampy amin’ny fampaniriana ny volo izay ampiasaina arakaraky ny antony nahatonga izany. Mety mihendrika comprimés (fanafody atelina) na pommades (ahosotra amin’ny hodi-doha) ireo karazana fanafody. Efa misy ihany koa any ivelany ireo fitsaboana ny fahasolana amin’ny alalan’ny fandidiana (greffe capillaire).
Etsy andaniny dia misy ireo fomba ady gasy mety afaka manampy amin’ny fampaniriana ny faritra sola. Anisan’izany ohatra ny fanosorana ranona tongolo eo amin’ilay hodi-doha na koa ny fampiasana menaka kinana. Mivatra manao izany indroa isan-kerinandro alohan’ny hanasana loha mba ahazoana vokatra. Tsy voatery handaitra amin’ny olona rehetra nefa ireo ady gasy ireo. Raha toa ka tsy ahitana vokany ao anatin’ny iray volana nampiasana izany dia tsara foana ny manantona mpitsabo.

Ireo torohevitra hisorohana ny fahasolana

Tsy mora ny mitsabo ny calvitie, indrindra raha toa ka efa mihitatra be ilay faritra sola. Ho an’ireo olona manana tarazon’ity fahasolana ity moa dia ny fanatarana ny fitrangan’izany no azo atao. Mba hisorohana ny fahasolana dia ilaina ny :
-Mampiasa shampoing malefaka sy natoraly ;
-fadiana arak’izay azo atao ny fanamainana volo amin’ny fitaovana mamoaka hafanana (séchoir, brushing…) ;
-miezaka mampitony ny rarin-tsaina ;
-manokana fotoana hakana aina ary tsy miari-tory matetika ;
-tsy fatorana mafy loatra ny volo rehefa mamatotra azy ;
-mihinana sakafo misy fer, calcium, vitamine B ary acides gras toy ny voamaina, atody, akondro…

Lire la suite

Articles Similaires