• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina sovoka : tandremo fa mahafaty raha tsy voatsabo ara-dalàna

31/07/2023 09:53 © Moov.Mg

Maro ireo vehivavy no tsy mahalala na koa diso hevitra mikasika ny atao hoe sovoka. Marihina nefa fa raha tsy voatsabo ara-dalàna izany dia mety mitarika fahafatesana. Izay indrindra ary no hiresahana eto ireo zava-dehibe mila fantatra momba ny atao hoe aretina sovoka.

Inona no atao hoe aretina sovoka ?

Ny aretina sovoka dia aretina iray ao amin’ny tranon-jaza izay antsoina amin’ny teny vahiny hoe « infection utérine ». Eto am-piandohana dia ny tsara ny manamarika fa tsy marina velively ireo lazain’ny olona sasany hoe avy amin’ny rivotra na ny hatsiaka no mahantonga ny sovoka.
Ny antony voalohany mahatonga ity aretina ity dia ny loto tafiditra teo amin’ny col na vozon’ny tranon-jaza ka nitondra mikraoba na bakteria tao amin’ny tranon-jaza. izay nitondra mikraoba na bakteria tao anatin’ny tranon-jaza.
Ny antony faharo mahatonga ny sovoka dia ny fisian’ny ahitra kely tavela tao anaty tranon-jaza. Mandritra ny fiterahana dia tokony mivoaka ny zaza, mivoaka ny ahitra ary diovin’ny mpampiteraka tsara ny ao anatin’ny tranon-jaza. Raha sanatria ka misy ahitra kely tavela dia lasa tsy mety miverina amin’ny habeny taloha ilay tranon-jaza.
Mikaikokaikona sy mamoaka rà be ny tranon-jaza noho ity farany miezaka mamoaka ilay loto na koa ilay ambina ahitra, ka izay no atao hoe aretina sovoka.

Ahoana ny fisehon’ny aretina sovoka ?

Lazaina fa tratry ny aretina sovoka ny vehivavy iray avy niteraka rehefa mampiseho ireto fambara manaraka ireto :
Mandeha rà be mahafeno taty rà 1 isaky ny adin’iray ary mena be foana ny rà mivoaka ;
mamofona be ny fivaviana ;
manaintaina be tsy zaka ny kibo ;
marary an-doha be, fanina, hatsatra sy malemy ;

Inona no atao raha tratra ny sovoka ny vehivavy iray ?

Mila manantona hopitaly malaky vao ahitana ny iray amin’ireo fambara voalaza ireo ny vehivavy avy niteraka. Ny mpitsabo no mahafantatra ny fitsaboana sahaza rehefa avy manao fizahana ilay marary. Amin’ny ankapobeiny dia esoriny, karoina amin’ny tanana, raha toa ka misy potika ahitra tavela anaty tranon-jaza. Raha avy amin’ny loto kosa dia vonoina amin’ny alalan’ny fanafody ny mikraoba na bakteria fatiditra anaty tranon-jaza.

Ireo fisorohana azo atao

Mba hisorohana ny aretina sovoka dia mila mitandrina tsara ny vehivavy hiteraka.
toerana madio sy azo antoka no hiterahana ;
midio ara-dalàna amin’ny rano madio sy avy nampangotrahana rehefa avy teraka (tsy maninona na mangatsiaka ilay rano) ;
fadiana ny misikotsikotra rehefa misasa satria mety mitarika mikraoba anaty tranon-jaza izany ;
soloina matetika ny taty rà na serviette fa tsy tazomina ela be.

Lire la suite

Articles Similaires