• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Calebasse Verte
Image
Fahasalamana&Sakafo

Thym : tena miaro amin’ny vohoka tsy niriana tokoa ve ?

31/07/2023 10:47 © Moov.Mg

Anisan’ireo zavamaniry manome hanitra ho an’ny sakafo ny thym. Ankoatra izay dia maro ireo vokatsoa entiny ho an’ny fahasalamana noho ireo singa samihafa hita ao aminy. Misy ihany koa etsy andaniny ireo milaza fa miaro amin’ny vohoka tsy niriana ny thym.

Inona avy ireo vokatsoa azo avy amin’ny thym ?

Ny thym dia anisan’ireo zavamaniry nampiasain’ny Ntaolo hanaovana raokandro na koa fanafody natoraly hiadiana amin’ny aretina samihafa. Anisan’izany ny fampitoniana sy ny fitsaboana ny kohoka. Ahitana singa iray miasa amin’ny fanokafana ny lalan-drivotra tokoa ao amin’ity zavamaniry ity ka izay no mampandaitra azy hiadiana amin’ny kohoka sy ny aretin’ny taovam-pisefoana sasany. Alaina ny thym iray fehezany lehibe ary ampangotrahina anaty rano roa litatra. Saromana tsara ny vilany ary rehefa mangotraka folo minitra dia esorina eo ambony afo ary hievohona.
Mitahiry singa manampy amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina sy ny fampitoniana ny fikorontanan’ny tsinay ihany koa ny thym. Mba hisitrahana izany vokatsoa izany dia manamboatra dite thym. Mampangotraka rano iray litatra ary ajoboka roa minitra ao ny thym iray fehezany sahabo ny iray ankihibe tanana. Sotroina mafana izany ary atao indray mandeha isan’andro mandritra ny telo andro. Manala rivotra ary mampitony fivalanana vokatry ny tsy fahalevonan-kanina izany.
Maro moa ireo fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana any ivelany izay manamafy ireo karazana vokatsoa entin’ny thym eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana fa ihany koa ho an’ny vatana. Voamarina tamin’izany fa manampy amin’ny fampitoniana ny areti-nify sy amin’ny fikolokoloana ny ati-vava ny thym. Atao gararaka ao am-bava ny thym avy notenehina dimy minitra tao anaty rano mangotraka.

Azo atao fanabeazana aizana natoraly ve thym ?

Efa nanao fanabeazana aizana ny Ntaolo Malagasy na mbola tsy nisy aza ireo fomba fanabeazana aizana nentin’ny vahiny sy fantatsika ankehitriny. Anisan’ireo ady gasy nampiasain’ny vehivavy fahiny ny thym mba hisorohana ny vohoka tsy niriana. Mazava ho azy fa lovan-tsofina no nandrenesana izany ary tsy voamarina ara-tsiansa fa fahamarinan’izany. Misy kosa nefa etsy andaniny ireo vehivavy manamafy fa nandaitra taminy ny fampiasana ny thym natao fanabeazana aizana.
Araka ny filazan’izy ireny dia maka thym iray fehezany ary ampangotrahina mandritra ny fito hatramin'ny sivy minitra amin'ny rano iray litatra. Misotro iray vera fahefany amin’izany ary atao in-telo isan’andro mandritra ny telo andro aorian’ny andro anaovana firaisana nampiahiahy na hoe atahorana mahabevoka.
Tandremo fa fisorohona ny vohoka no resaka eto fa tsy fanalàna zaza. Izany hoe tsy ampiasaina ity ady gasy ity raha efa bevohoka na koa hoe efa andro maro tao aorian’ilay fotoana nanaovana firaisana nampiahiahy. Araka ny voalaza teo ambony moa dia tsy azo itokisana tanteraka ity ady gasy iray ity satria tsy voatery handaitra amin’ny toe-batan’ny olona rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires