• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The Aztec News
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Paralysie du sommeil » na ilay heverintsika hoe tsindrian’ny mpamosavy

27/07/2023 13:34 © Moov.Mg

Misy fotoana isika rehefa matory amin'ny alina dia mahatsiaro misy manindry, tsy afa-mihetsika ary tsy afaka mikikiaka. Hoy isika Malagasy hoe « notsindrin’ny mpamosavy ». Ny tena marina dia « paralysie du sommeil » no nahazo antsika. Fa inona tokoa moa izany paralysie du sommeil izany ? Ahoana ny fitrangany ? Inona no azo atao hisorohana izany ?

Inona no atao hoe paralysie du sommeil ?

Anisan’ireo fikorontanan’ny torimaso na « troubles du sommeil » ny paralysie du sommeil. Mandritra ny torimaso tsy lalina no fotoana fitrangan’izany, izany hoe rehefa manomboka mahazo tory na rehefa hifarana ny torimaso. Arak’izany anarany izany moa dia tena tsy afaka mihetsika, miteny, mikikiaka na manao ninoninona ny olona manao paralysie du sommeil. Mety hiaraka amin’ny hallucinations ihany koa izany. Maharitra segondra na minitra vitsivitsy ity farany ary mijanona ho azy. Azo fohazina ihany koa ny olona manao paralysie du sommeil.

Inona no zavatra mitranga mandritra ny paralysie du sommeil ?

Ny olona manao paralysie du sommeil dia taitra amin’ny torimaso nefa ny vatany iray manontolo mbola matory. Izany hoe ny saina mifoha fa tsy mahavita mibaiko ny vatana sy ny hozatra hanao zavatra iray. Mandritra ilay paralysie du sommeil dia tsy afaka mihetsika mihintsy ny vatana, tsy mahatafavoaka feo raha te hiteny na hikikiaka ary mahatsiaro sempotra sy tsy avy miaina ilay olona.
Mety ihany koa anao hallucinations toy ny hoe mahita aloka na olona manantona, misy zavatra manindry… Misy ihany koa ireo mahatsapa trangan-javatra hafahafa toy ny hoe mivarina any an-kady, mitsingevana… Matetika dia miteraka tebiteby sy tahotra ho an’ilay olona sendra izany ny paralysie du sommeil no ireo fitrangany hafakely ireo. Izany ihany koa mazava ho azy no mahatonga ny Malagasy hihevitra fa tsindrin’ny mpamosavy rehefa manao ity paralysie du sommeil ity.

Inona avy ireo lafin-javatra mety mahatonga ny paralysie du sommeil ?

Eo ho eo amin’ny 30% ny olombelona dia mety efa nanao na hanao paralysie du sommeil indray mandeha farafahakeliny eo amin’ny fiainana. Misy ireo anton-javatra mety mahatonga ny fitrangan’ny paralysie du sommeil, anisan’izany ny :
-rarin-tsaina ;
-fitebitebena ;
-havizanana be loatra nandritra ny tontolo andro ;
-tsy fahampiana torimaso ;
-fikorontanan’ny torimaso ;
-fiovana eo amin’ny lafim-piainana toy ny fahafatesana olona akaiky, fiovana asa, fisaraham-panambadiana...

Ahoana no atao hisorohana ny paralysie du sommeil ?

Fikorontanan’ny torimaso ary tsy misy atahorana amin’ny lafiny ara-pahasalamana ny paralysie du sommeil. Tsy misy noho izany ny fitsaboana atao ary matetika tsy ilaina ny fanantonana mpitsabo. Azo atao kosa nefa ny misoroka ny paralysie du sommeil mba tsy hiverenan’izany.
Fantarina amin’ireo antony voalaza teo ambony ireo aloha ny antony nahatonga ilay paralysie du sommeil mba tsy hanaovana izany intsony. Manarak’izany dia miezaka hatrany mampitony ny rarin-tsaina sy ny tebiteby. Hatsaraina ihany koa ny torimaso.
Raha toa kosa ka lasa manakorontana ny fiainana andavanandro ny paralysie du sommeil, ohatra hoe lasa vizaka foana ny tontolo andro, dia tsara ny manantona mpitsabo. Ity farany no afaka manome fanafody mampitony ny rarin-tsaina sy manampy amin’ny fanatsarana ny torimaso.

Lire la suite

Articles Similaires