• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Expirata
Image
Fahasalamana&Sakafo

Coriandre na Kotomila : 'Ndeha fantarina ireo voka-tsoa azo avy aminy !

26/07/2023 15:15 © Moov.Mg

Atao amin'ny vary amin'anana, amin'ny riz cantonnais, amin'ny lasopy na amin'ny lasary : manome hanitra miavaka ny sakafo ny kotomila. Matetika izy io dia amidy miaraka amin'ny persil sy ny tongolo maitso. Fantaro àry ireo voka-tsoa azo avy aminy.

Tsy vitsy ihany koa ireo tia mahandro sakafo no mampiasa ny kotomila ho haingon-tsakafo : tsy tetehina izy fa maka tahony iray na roa atao eo ambonin'ilay sakafo efa voaloatra.

Ireo zavatra hita ao amin'ny kotomila

Azo hohanina tsara isan'andro ny kotomila satria misy ireto singa manaraka ireto :
-Vitamine A, C, E, K
-Fer
-Calcium
-Potassium
-Manganèse
Raha eto Antananarivo manokana, somary lafo ny kotomila raha oharina amin'ny persily sy ny tongolo maitso. Matetika dia mila manana 300 ariary vao mahazo fototra vitsivitsy.

Ireo zava-tsoa azo avy amin'ny kotomila

Na ho an'ny ankizy, na ho an'ny tanora na ho an'ny olon-dehibe, mahasoa ny fahasalaman'ny vatana ny kotomila.
1-Manala stress. Mampahita tory haingana kokoa, indrindra ho an'ireo tsy mety mahita tory (tratry ny "insomnie)
2-Mampihena ny Tahotra sy ny ahiahy, Mampilamina ny Saina
3-Mampidina tahan'ny siramamy amin'ny vatana. Mety ho an'ny olona diabetika
4-Mampitony sy manatsara ny fo
5-Miaro amin'ny infection urinaire
6-Manampy am fandevonan-kanina. Mety tsara amin'ny olona maloiloy sy mandoa lava. Mampazoto homana ireo malain-komana.
7-Manala poizina avy amin'ny sakafo hoanina, toy ny fangaro simika be loatra.
8-Mampirindra ny cycle menstruel. Mety tsara ho an'ny vehivavy manao trouble hormonale ka mikorontana ny fadim-bolany.
9-Manampy amin'ny fitadidiana. Mety hoan'ny olona manao Syndrome Alzheimers, Parkinson.
10-Miaro amin'ny cancer tsinay sy taolana.
11-Mahatsara hoditra sady mitsabo ny aretin-koditra. Azo atao tsara ny manasa tarehy amin'ny ranon'ny kotomila.
12-Mampihena vatana. Mety tsara ho an'ny olona te hanaraka régime alimentaire.
13-Misoroka ny tsy fahampian-dra.
Tsara ny manamarika fa azo atao "jus" tsara ny kotomila. Somary maherihery nefa ny fofony.

Lire la suite

Articles Similaires