• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Looping-Baby-Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy mety mahazo zaza : Inona avy ireo sakana tsy mampiteraka ?

20/07/2023 16:00 © Moov.Mg

Tsy vitsy ireo vehivavy manambady no misedra olana amin'ny fananahana : tsy mety bevohoka na afa-jaza matetika. Anisan'ny mahatonga olana ao an-tokantrano nefa izany, ary matetika dia ny vehivavy foana no mahazo tsiny. Tsara ihany ny mahafantatra ireo olana mateti-pitranga sy ireo vahaolana mety hanampy ireo vokasik'izany.

Ireo antony manembatsembana ny fananan-taranaka

Azo atao tsara ny mandinika ny antony mety mahasarotra ny fananana taranaka. Samy manana ny toe-batany sy ny fiainany mantsy ny tsirairay.

Tsy filaminan-tsaina

Anisan'ny mahatonga fikorontanana amin'ny fananana anaka sy ny fitazomana ny zaza ao an-kibo ny tsy filaminan-tsaina. Tsy tsara mieritreritra ny hitady zaza ny vehivavy iray raha mbola mora mitebiteby sy matahotra lava.

Fanaovana fanabeazana aizana artifisialy

Manimba ny vatan'ny vehivavy tokoa ireo fomba fanabeazana aizana artifisialy : ny pilina sy ny tsindrona. Misy fanafody manova ny "hormones" mantsy izy ireny ka mampikorontana ny lamina voajanahary amin'ny vatan'ny vehivavy. Ireo fomba fanabeazana aizana tsy misy fanafody kosa, izany hoe ny stérilet na ny implanon, mety hikisaka izy ireny ka mahatonga olana samihafa, indrindra amin'ny fahasalamana.

Fanalan-jaza

Tsy azo odiana tsy hita ny fanalana zaza izay mety nataon'ny vehivavy tany aloha. Ny ratra naterak'izany mantsy dia mety nahatonga fahasimbana tsy azo arenina (effet irreversible). Marihana nefa fa matetika, tsy azon'ny mpitsabo atao ny manakivy tanteraka ny vehivavy iray na hitany aza fa tsy misy azo atao intsony. Fitadiavana vahaolana (obligation de moyens) mantsy ny fitsaboana fa tsy fikendrena vokatra mazava (obligation de résultats).

Olan'ny taova

Mety hanana olana amin'ny taovam-pananahana avokoa, na ny lahy na ny vavy. Maro tokoa mantsy ny singa mandrafitra izany ka mahatonga olana saro-bahana raha misy tsy tomombana. Tsy adino ireo dingana maro voajanahary mandrafitra ny famoronana tsirinaina (ho an'ny lehilahy) sy ny atody (ho an'ny vehivavy). Mbola misy dingana maro tsy voatanisa ihany koa ny fitambaran'ny tsirinaina lahy sy vavy ka mahatonga ny zaza hipetraka ao anaty tranon-jaza. Raha misy singa na dingana tsy lavorary dia misy fiantraikany amin'ny fananana anaka izany.

Fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana

Misy fiantraikany amin'ny fahasalamana ara-pananahana ny sakafo. Ireo karazana singa tena manimba ny vatana no tena fahavalon'ny fananan-taranaka, toy ny zava-mahadomelina, ny zava-pisotro misy gaz, ny sakafo be akora simika, sns.

Ireo torohevitra natokana ho an'ireo te hananjanaka

Tsy mora ny miatrika ny fitadiavana zaza, indrindra moa fa matetika ny fiaraha-monina no tena masiaka amin'ireo mpivady tsy mananjanaka mandritra ny taona maro.

Filaminan-tsaina

Tsy maintsy milamin-tsaina ny vehivavy iray raha te hananjanaka, sady hizotra tsara ny fitondrana vohoka. Tsara raha mifampiresaka mialoha ny mpivady sady mifampiresaka mazava ny amin'izay mety ho fototry ny olana rehetra. Ny mpivady miray saina sy mifanohana no tena ilaina. Tsy adino ny faharetana satria tsy voatery hahomby vetivety ny fitsaboana atao.
Raha ny lehilahy no misy olana eo amin'ny famokarana tsirinaina, izy indray no mila mandamin-tsaina. Manohana azy araka izay azo atao ny vadiny. Azo atao tsara ny miroso amin'ny thérapie, ahafahana manampy ireo olona mitady zaza hahatoky tena sy hanana fanantenana.

Fihinanana sakafo mahasalama

Amporisihana ny mpivady rehetra izay mieritreritra ny hiteraka mba hihinana sakafo ara-pahasalamana. Ny voankazo sy ny legioma no tena atao betsaka amin'izany. Ireto misy sakafo vitsivitsy manampy ny vatana amin'ny fiomanana amin'ny fananan-janaka, indrindra ho an'ny vehivavy :
-Sakamalaho (manafana tranonjaza)
-Trondro (ahazoana Oméga-3)
-Anana isan-karazany (ahazoana acide folique)
-Ronono sy ireo vokatra azo avy aminy (ahazoana kalsioma sy vitamina D)

Fitsaboana

Raha tsy mety mahazo zaza mihitsy ny olondroa, izany hoe tsy mety bevohoka ilay vehivavy mandritra ny herintaona ohatra, tsara ny manantona mpitsabo (gynécologue). Samy mandalo fizahana manokana avokoa, na ny lahy na ny vavy, ahafantarana izay mety tsy tomombana. Manaraka "traitement" araka izany ny mpivady mba ho bevohoka ilay vehivavy. Ho an'ireo afa-jaza matetika, mitovy ihany ny dingana arahina. Rehefa mipetraka ilay zaza dia azo atao tsara ohatra ny miroso amin'ny "repos strict au lit" miampy fitsindromana "progestérone" na "cerclage". Ho an'ny lehilahy kosa, mety misy fanafody mahatsara ny kalitao sy ny isan'ny tsirinaina. Ny mpitsabo irery ihany nefa no manapa-kevitra ny amin'ny fitsaboana tokony atao.
Raha toa ka tsy "compatible" ny mpivady, izany hoe mety mitovy sokajin-drà, dia tsy misy fitsaboana azo atao afa-tsy ny mitady "donneur de spermes". Tsy mbola eken'ny sain'ny malagasy nefa izany hitaiza zanak'olona tsy fantatra izany. Raha tsy mety mifanena indray ny tsirinaina roa, nefa tokony mahatazona zaza tsara ny tranonjaza, azo atao ny miroso amin'ny "insémination artificielle" na ny "Fécondation In Vitro". Tsara nefa ny manamarika fa somary lafo ny vola ilaina amin'ireo karazana fitsaboana avo lenta izany.
Ireo vehivavy tena tsy mahatazona zaza, noho ny fanalan-jaza teo aloha ohatra na fihinanana pilule du lendemain tafahoatra, azo alaina ny atodiny. Amin'izany dia atambatra amin'ny tsirinaina lahy ka ampitondraina "mère porteuse" ilay zaza.

Inona no tena fadiana ?

Fadiana ny manandrakandrana ireo fanafody atoron'olona. Araka ny voalaza etsy ambony, samy manana ny toe-batany ny tsirairay. Mety hanimba ny tranon-jaza ireo vokatra izay ampiasain'ny hafa nefa tsy mety amin'ny tena. Misy tokoa ireo manoro "fanadiovana tranonjaza", nefa tsy voatery hahasoa izy ireny. Tsy vitsy ny vehivavy no voa mainka aza manasarotra ny fipetrahan'ny zaza ao an-kibo.
Maro ihany koa ireo manoro hoe mila miotra any amin'ireny reninjaza ireny. Misy tokoa ireo mety mahafehy ny asany ka mety hanampy amin'ny fananan-taranaka, saingy misy ihany koa ireo mety manandrakandrana. Tsara ny mampahatsiahy fa taova saro-pady ny tranonjaza ka hanasarotra ny fananana anaka ny fitsaboana na fanafody tsy mahomby.
Raha azo atao, aleo manantona dokotera (gynécologue). Rehefa mivaly ireo fizahana isan-karazany, ampahafantarina ny mpivady ireo anton'ny fahasahiranana mahazo zaza sy ny fitsaboana tsara atao.

Lire la suite

Articles Similaires