• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana vitaminina D : inona no fiantraikan’izany ?

17/07/2023 13:32 © Moov.Mg

Vizaka lava, kizitina, torovana ny vatana… tandremo fa mety tsy fahampiana vitaminina D no mahazo anao. Ahoana ny fiseho sy ny fiantraikan’ny tsy fahampiana vitaminina D eo amin’ny vatana ? Inona kosa ary ireo fomba atao hiadiana amin’izany ?

Inona ny asan’ny vitamine D eo amin’ny vatana ?

Singa iray mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatana ny vitaminina D. Anisan’ny andraikitra voalohany sahaniny ny fampitomboana ny tahan’ny kalsioma sy phosphore ao anaty rà. Maro tokoa ny vokatsoa entin’ny fahampiana kalsioma eo amin’ny vatana, toy ny fanamafisana ny taolana sy ny nify, fanatsarana ny fahasalaman’ny hozatra sy ny fandrindràna ny hormones.
Mandray anjara amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ihany koa ny vitaminina D. Izany dia miaro ny vatana amin’ny karazana aretina maro mpahazo ireo olona manana hery fiarovana marefo. Ankoatra izay dia mandray anjara amin’ny famokarana ny sela vaovavo sy ny fanavaozana ireo sela maty amin’ny hoditra ihany koa ny vitaminina D.

Ahoana ny fisehon’ny tsy fahampiana vitaminina D ?

Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana tokoa ny tsy fahampiana vitaminina D. Marihina moa fa samy mety ho tratry ny tsy fahampiana karazana vitaminina io avokoa na ny zazakely na ny ankizy na ny olondehibe.
Raha eo amin’ny zazakely moa dia miseho amin’ny alalan’ny fahalemen’ny taolana sy ny hoditra izay mety mitarika tsy fahasarotana rehefa mipetraka, mandady na mandeha.
Ho an’ny ankizy eo anelanelan’ny 1 hatramin’ny 4 taona kosa dia miteraka tsy fahatomombanana amin’ny fitombon’ny taolana na koa fahatarana amin’ny fianarana mamindra sy mandeha.
Raha olondehibe no tratry ny tsy fahampiana vitaminina D dia mahatsiaro reraka lava, kizitina ary mihamalemy ny taolana, indrindra eo amin’ny hazondamosina, ranjo sy ny maoja.
Mety hitarika fahatapahan’ny taolana, matetika eo anivon’ny valahana, ihany koa ny tsy fahampiana vitaminina D eo amin’ny beantitra raha toa ka voadona mafy na nianjera.

Ny fomba atao hiadiana amin’ny tsy fahampiana vitaminina D

Mizara roa lehibe ny fomba atao mba hiadiana amin’ny tsy fahampiana vitaminina D. Ny voalohany amin’izany moa dia ny fitaniana andro. Mila mitaninandro 15 minitra hatramin’ny 20 minitra isan’andro mba ahazoan’ny vatana ny tahana vitaminina D ilaina. Tsara kokoa raha rehefa maraina na rehefa tolakandro no mitaninandro mba tsy ho may ny taratry ny masoandro.
Ny fihinana sakafo manankarena vitaminina D moa no fomba faharoa azo atao hiadiana amin’ny tsy fahampiana ity karazana vitaminina ity. Anisan’ireo sakafo tsara hoanina ny trondro matavy toy ny sardines sy ny saumon. Tsy adinoina ihany koa ny fihinanana olatra, sakafo vita amin’ny ronono voahodina, tamenak’atody, sokola mainty, taovan-kena, hena…

Lire la suite

Articles Similaires