• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Calebasse Verte
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mandeha voyage : fisorohana sy fampitoniana ny « jambes lourdes »

14/07/2023 11:40 © Moov.Mg

Tranga fahita matetika ny « jambes lourdes » rehefa ilay mandeha fiara na fiaramanidina ela loatra iny. Izany hoe tsapa lasa mavesabesatra ny faritry ny ranjo, ary indraindray lasa mivonto. Fa inona no mahatonga ny jambes lourdes ary ahoana ny fomba atao hisorohana sy hampitoniana izany ?

Inona no mahatonga ny jambes lourdes ?

Matetika ny jambes lourdes dia vokatry ny tsy fikorontanan’ny fikorian’ny rà ao amin’ny lalan-drà be. Izany hoe tsy mahavita mitondra ny rà avy any amin’ny ranjo mankany amin’ny fo intsony ny lalan-drà misahana izany. Maro moa ny antony mety mahatonga izany jambes lourdes izany, toy ny hafanana be loatra, ny fipetrahana na ny fitsanganana mandritra ny fotoana maharitra, akanjo tery loatra… Anisan’ny mahatonga ny jambes lourdes ny fandehanana voyage lavitra satria mipetraka mandritra ny ora maro ilay olona.

Ahoana ny fomba fisehon’ny jambes lourdes ?

Miseho tsikelikely ny jambes lourdes. Amin’ny voalohany dia mahatsapa toy ny mangorintsina manelingelina eo anivon’ny ranjo. Manarak’izay dia lasa toy ny hoe mavesabesatra sy volivoly izany eo amin’ilay faritra. Raha toa ka mandritra ny fandehanana fiara alavitra no miseho ilay jambes lourdes dia mety lasa mivonto ilay ranjo raha toa ka tsy mitsangana mandehandeha ilay olona fa mijanona mipetraka eo ihany. Mivadika lasa manaintaina eo amin’ny ranjo sy ny faritry ny vanintaolana, toy ny lohalika sy ny cheville.

Ireo fisorohana ny fivontosan’ny tongotra vokatry ny jambes lourdes

Maro ireo fisorohana azo atao hisorohana ny fivontosan’ny tongotra vokatry ny jambes lourdes rehefa mandeha voyage :
Mizatra manao fanatanjahantena mba hanatsarana ny fikorian’ny rà sy ny fahasalaman’ny lalan-drà,
fadiana ny mitsangana mandritra ny fotoana ela loatra na koa mampifanaingina ny tongotra mandritra ny fotoana maharitra rehefa mipetraka,
ampiakarina ambony ny tongotra (asiana lamba na ondana avo eo ambanin’ny tongotra) rehefa matory amin’ny alina mba hampiverina ny rà avy any amin’ny ranjo mankany amin’ny fo,
misotro rano betsaka ary ahena ny fihinanana sira.

Ireo fomba atao ampitoniana ny jambes lourdes rehefa avy nandeha voyage

Mampijaly sady manelingelina tokoa ny jambes lourdes rehefa avy nandeha voyage lavitra iny. Rehefa tonga any an-trano na any amin’ny toerana aleha dia mila alona ao anaty rano matimaty misy sira ilay tongotra. Atao anaty koveta io rano matimaty masira io ary avela hilona ao mandritra ny 10 minitra hatramin’ny 20 minitra ny tongotra manao jambes lourdes.
Azo atao ihany koa ny mampiasa vinaigre de cidre ampitoniana ny jambes lourdes. Maka rano mafana atao anaty koveta ary tapohina vinaigre de cidre 1 na 2 kopy. Lomana ao anatin’izany fangaro izany ny tongotra mandritra ny 15 minitra. Andramo ihany koa vinaigre de cidre sy rano mitovy fatra atao amin’ny serviette hamonosana ilay tongotra mivonto. Atao indroa isan’andro izany mba hampitony sy hampihena ny jambes lourdes.
Tsara foana kosa nefa ny manantona mpitsabo raha toa ka manaintaina tsy zaka ilay tongotra mivonto na koa hoe tsy mety mihena. Ny mpitsabo no afaka mijery ny anton’ilay jambes lourdes sy ny fitsaboana mifandraika amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires