• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé-Medadom
Image
Fahasalamana&Sakafo

Somnambulisme: olona mitsangana, miresaka... mandritra ny torimaso

10/07/2023 14:21 © Moov.Mg

Maro ireo toe-javatra re mahakasika ny olona mitsangana mandritra ny torimaso amin’ny alina na « somnambule ». Misy ireo mivezivezy ao amin’ny efitrano, ireo mahavita mamoha varavara mivoaka any an-tokontany… Fa inona tokoa moa no antony mahatonga ny somnambulisme ary ahoana no atao manoloana ny olona somnambule ?

Inona no atao hoe somnambule ?

Ny somnambulisme dia tafiditra ao anatin’ireo karazana fikorontanan’ny torimaso na « troubles du sommeil ». Atao hoe somnambule ny olona iray raha toa ka mitsangana na koa manao zavatra iray mandritra ny torimasony amin’ny alina. Tsy tokony misy ahiana loatra ity trouble iray ity raha eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Vetivety ihany no mitranga izany ao anatin’ny alina ary matetika dia afaka ho azy.
Maro ny fomba fisehon’ny somnambulisme. Anisan’izany ny hoe matory nefa mandehandeha, mifandray, miresaka, manao raharaha, manokatra varavarana na varavarankely… Rehefa taitra anefa ilay olona dia tsy mahatadidy ny zava-niseho. Mila tandremana ny olona somnambule noho izy mety haratra na hianjera mandritr’ilay izy mitsangana sy mivezivezy nefa mbola anaty torimaso iny.

Ireo antony mahatonga ny olona ho somnambule ?

Mandritra ny torimaso dia misy « neurotransmetteur » antsoina hoe GABA (Gamma-AminoByturic Acid) miforona ao amin’ny ati-doha. Ny GABA dia mampalefaka ny nofo sy ny hozatra rehefa matory. Ny tsy fahampian’ity neurotransmetteur ity no mahatonga ilay vatana afaka mihetsika, manao zavatra, mandehandeha mandritra ny torimaso. Marihana moa fa misy karazany roa lehibe ny torimaso, ao ny torimaso lalina ary ao ny torimaso tsy lalina. Mandritra ny torimaso lalina no mitranga ny somnambulisme, izany hoe eo amin’ny adiny iray sasany ao aorian’ny fahitana tory.
Samy mety ho somnambule avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Raha ny ankizy manokana moa dia matetika mbola tsy lafatra ny fanamboarana GABA ao amin’ny atidohany ka izay no anisany mahatonga ny somnambulisme. Mety ho manar’anaka na koa nohon’ny rarin-tsaina ihany koa no miteraka izany. Ho an’ny olon-dehibe moa dia maro ireo antony mety mahatonga ny somnambulisme toy ny rarin-tsaina, ny tsy fahampiana torimaso, ny fisotroana alikaola…

Ahoana no atao manoloana ny olona ao anatin’ny somnambulisme ?

Ny zavatra atao voalohany rehefa miara-miaina amin’ny olona somnambule dia ny miaro azy mba tsy haratra rehefa izy mitsangana sy mivezivezy anaty torimaso iny. Alohan’izy hatory dia esorina avokoa ireo zavatra mety handratra manodidina sy ny mety hamingana azy eny amin’ny lalany. Tandremana tsara mba tsy ho fohazina izy mandritra ilay fotoana maha somnambule azy. Mety miteraka fikorontan’ny sainy tokoa mantsy izany satria tsy fantany ny zavatra mitranga rehefa izy taitra iny ka mety. Raha izay no mitranga dia mety ho kizitina be na hahery setra tampoka ilay olona.
Ny tokony atao dia manaraka azy am-pilaminana sy miaro azy mba tsy hianjera na ho voadonan’ny zavatra. Azo resahana moramora ihany koa izy hoe « ndao hiverina any am-pandriana » fa tsy fohazina. Matetika dia afaka ho azy ny somnambulisme, indrindra eo amin’ny ankizy rehefa mihalehibe izy. Ny psychiatre sy ny mpitsabo voahofana amin’ny troubles du sommeil no afaka mandray an-tanana ny olona somnambule raha ilaina izany.

Lire la suite

Articles Similaires