• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pierrette Desrosiers
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vehivavy mbola tsy niteraka : ireo fitandremana tsara fantatra

07/07/2023 15:56 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo vehivavy sahirana rehefa hiteraka. Ankoatra ny fahamombana dia misy ireo ireo fomba fiaina amin’ny andavanandro manasarotra ny fahazoana zaza. Ndeha ary ho resahina ireo fahazarana mila tandreman’ireo vehivavy mbola tsy niteraka izay maniry ny hahazo zaza any aoriana.

Mila mitandrina sakafo ny vehivavy mbola tsy niteraka

Antoky ny fahasalamana ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Rehefa salama tsara ny vehivavy mbola tsy niteraka dia mora kokoa ho azy ny mahazo zaza rehefa any aoriana. Marihina fa ny fikorontanan’ny famokaran’ny vatana hormone no isan’ireo antony mahatonga ny vehivavy sarotra vao mety bevohoka. Ny fihinanana sakafo tsy voalanjalanja ary indrindra ireo be produits chimiques anisan’ny antony lehibe mahatonga izany fikorontanana izany.
Fadiana arak’izay tratra noho izany ny fihinanana sakafo be siramamy, be sira na menaka. Toy izany ihany koa ny nouilles, poulet de chair, chips industriels… Ny voankazo, legioma, trondro, atody, hena mahia sy ny vokatra avy amin’ny ronono no atao betsaka. Tsy adinoina ny misotro rano 1,5 litatra isan’andro. Ajanona ihany koa ny fifohana sigara satria dia mampihena ny fertilité izany na ho an’ny vavy na ny lahy.

Mila manetsika vatana sy manao fanatanjahantena

Manampy ny vehivavy mbola tsy niteraka mora hahazo zaza rehefa any aoriana ny fahaizana mikolokolo sy mitaiza vatana dieny izao. Fomba iray ahafahana manao izany ny fanetsiketsehana ny vatana sy ny fanaovana fanatanjahantena matetika. Tsy zovina amin’ny rehetra fa mahasalama ny fo sy ny tosi-drà ny fanatanjahantena. Ankoatra izay dia mandrindra ireo famokarana hormone eo amin’ny vatana ihany koa izany.
Tsara ihany koa ny manamarika fa manasarotra ny fahazoana zaza eo amin’ny vehivavy ny tavy diso tafahoatra. Manampy betsaka amin’ny fanenana vatana ny fanaovana fanatanjahantena ampiarahana amin’ny fihinanana sakafo voalanjalanja. Tandremana kosa nefa mba tsy atao mafy loatra ny fikotranana atao satria tsy tsara ihany koa raha toa ka lasa mafy loatra ny hozatra eo amin’ny kibon’ny vehivavy mbola tsy teraka.

Mizatra mikolokolo sy mampitony ny saina

Mila mizatra mikolokolo sy mampitony ny saina ny vehivavy mbola tsy niteraka raha maniry ny hanana anaka rehefa any aoriana. Anisan’ireo antony iray mahasarotra ny fahazoana zaza eo amin’ny vehivavy tokoa mantsy ny rarintsaina noho ity farany mampikorontana ny famokarana hormone sy ny fotoana maha lonaka azy.
Dieny mbola tsy niteraka izany ny vehivavy dia tokony efa miezaka manamboatra ny saina mba hisorohana ny rarintsaina rehefa tonga ny fotoana hitadiavany zaza. Manampy betsaka amin’ny fanatanterahana izany ny fahampiana torimaso isak’alina, ny fahaizana miala voly sy maka aina…

Lire la suite

Articles Similaires