• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Europe 1
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiarovana ny hoditra tsy ho may ny masoandro mandritra ny fialantsasatra

06/07/2023 14:13 © Moov.Mg

Efa miomakomana ny handeha hamonjy ranomasina ve ianareo amin’izao fialantsasatra lehibe izao ? Aza adino ny miaro ny hoditra tsy ho may ny masoandro, indrindra fa ny an’ny ankizy. Mety hanampy anao amin’izany ireto torohevitra manaraka ireto.

Mampiasa ireo vokatra miaro ny hoditra tsy ho may ny masoandro

Rehefa mandeha miala sasatra any amin’ny tany mafana dia ilaina hatrany ny miaro ny hoditra tsy ho may ny masoandro. Ny ankizy sy ny zaza madinika ary ireo manana hoditra « sensible » no tena voakasik’izany. Ny crème solaire moa no isan’ireo vokatra mandaitra indrindra. Ahitana azy ireny na eny amin’ny farmasia na eny amin’ireny tsena lehibe ireny. Misy ihany koa ireo crèmes solaires vokarina eto an-toerana vita amin’ny akora natoraly nefa miaro tsara ihany koa. Azo ampiana crème du jour ihany koa ny fiarovana ny hodi-tava tsy ho may ny masoandro.

Tsy manao tratry ny masoandro midanika

Mba ho fiarovana ny hoditra tsy ho may ny masoandro mandritra ny fialantsasatra dia fadiana arak’izay azo atao ny fivoahana ny trano mandritra ny fidanian’ny masoandro. Manodidina ny amin’ny 12 ora atoandro sy amin’ny 3 ora hariva eo moa mazana no tena mamay be ny andro eny amin’ny morontsiraka. Raha tsy maintsy mandeha mivoaka amin’ireo fotoana ireo dia tsara raha mipetraka eny amin’ny maloka. Manofa ireny fialofana ireny kosa raha toa ka te hilalao eny amoron-dranomasina. Tsy adinoina ihany koa ny mitondra satroka sy akanjo manify mandrakotra ny tanana sy ny tongotra, indrindra ho an’ny ankizy.

Misotro rano betsaka

Fomba iray hiarovana ny hoditra amin’ny fahamainana ateraky ny masoandro ny fisotroana rano betsaka. Rehefa ampy rano tsara ny vatana dia afaka mampitombo ny fiarovana ny hoditra tsy ho makiana rehefa tratry ny masoandro. Tsy tokony ho latsaky ny 1,5 litatra isan’andro noho izany ny rano sotroina mandritra ny fotoanan’ny fialantsasatra any amorontsiraka. Tsara raha ferana ny fisotroana zava-pisotro mamy loatra, indrindra ho an’ny ankizy, noho izy ireny tsy mahasolo ny fiasan’ny rano amin’ny vatana.

Ahoana no atao raha may ny masoandro ny hoditra ?

Raha toa ka may ny masoandro nandritra ny fialantsasatra ny hoditra dia mila karakaraina mba ho sitrana haingana. Matetika moa dia mavaivay, mivaramainty ary miofaka ny hoditra may ny masoandro. Mety maharitra andro maro izany vao afaka. Manampy betsaka amin’ny fampitoniana sy ny fanasitranana izany ny vahona. Osorana ditin’ny vahona eo amin’ny faritra may ny masoandro. Avela ho maina ary kobanina amin’ny rano matimaty. Atao indray mandeha isan’andro. Mila manantona mpitsabo kosa raha toa ka manaintaina sy tsy mety sitrana ilay may.

Lire la suite

Articles Similaires