• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie-Emmanuelle Marchand
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza misy tadin-dela fohy (frein de langue restrictif) : ndeha ho resahina !

05/07/2023 10:51 © Moov.Mg

Zaza miraiki-dela na fohy lela hoy isika. Raha ny marina kokoa dia misy tadin-dela ilay zaza no mahatonga izany. Toe-batana efa hatrany am-bohoka ny tadin-dela ary mety hanelingelina ny zaza tokoa ny fisian’izany. Ahoana no ahafantarana zaza misy tadin-dela ? Inona no mety fiantraikan’izany sy ny fandraisan-tanana ara-pahasalamana azo atao ?

Ahoana no ahafantarana zaza misy tadin-dela fohy na frein de langue restrictif ?

Ny atao hoe tadin-dela na « frein de langue » dia ilay nofo manify toa ny tady na kofehy mampifandray ny lela amin’ny ambanin’ny lela. Marihina moa fa samy manana tadin-dela avokoa ny olona rehetra fa rehefa fohy na hoe « restrictif » ny tadin-dela dia lasa manakana ny lela tsy hahatakatra ny lanilany rehefa mihidy ny vava. Mazava ho azy fa miteraka fanelingelenana sy fahasarotana samihafa eo amin’ny fiainan’ny zaza, na izy mbola kely na rehefa lehibe, ny fisian’ny tadin-dela fohy.
Rehefa vao teraka ny zaza no jeren’ny rasazy raha misy tadin-dela fohy na tsy misy. Amin’ilay zaza mihiaka voalohany iny moa mahazana no hijereny izany. Misy ihany koa moa ny fizahana fanampiny ataon’ny mpitsabo rehefa miha lehibe ilay zaza ka misy ahiana ny fisian’ny tadi-tenda fohy. Jereny amin’izany raha mahavita miainga ambony tsara ny lelan’ilay zaza, mihetsika tsara na koa mivoaka tsara rehefa mitranga lela. Fambara tadin-dela fohy ihany koa raha toa mihafotsy ny tadin-dela rehefa mihenjana be loatra, lalina be na tery tsy mivelatra ny lavaky ny lanilany.

Inona ny mety fiantraikan’ny fisian’ny tadin-dela fohy eo amin’ny zaza ?

Raha mbola vao teraka ny zaza dia miteraka fanelingelenana eo amin’ny fampinonoana ny fisian’ny tadin-dela fohy, na ho an’ny zaza na ho an’ny reny mampinono. Mahatonga fahateren’ny lalan-drivotra ao amin’ny oron’ny zaza ihany koa izany ka manahirana azy rehefa miaina. Rehefa mihalehibe ny zaza dia mitarika fahasarotana hafa ihany koa ny tadin-dela fohy, toy ny fahasarotana mitsako, mitelina ary miteny.

Inona ary ny fitsaboana ny zaza misy tadin-dela fohy ?

Tsy afaka tsaboina na levonina amin’ny alalan’ny fanafody ny zaza misy tadin-dela fohy. Ny fandidiana ihany hatreto no fandraisan-tanana ara-pahasalamana azo atao. Misy karazany roa ny fandidiana ny tadin-dela fohy.
Ny voalohany moa dia ny fanatatahana ilay tadin-dela mba hahafahan’ny lela mahatakatra ny lanilany. Ny karazany faharoa kosa dia ny fanesorana ilay tadin-dela. Mila atao anesthésie locale ny zaza atao ity karazana fandidiana faharoa ity. Marihina moa fa mbola tsy vita eto Madagasikara ity farany.

Lire la suite

Articles Similaires