• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Lafika, mosavy mahatonga fahasarotana amin'ny fananan'anaka sy ny fiterahana

05/07/2023 05:55 © Moov.Mg

Tsy vitsy ny vehivavy manana olana amin'ny fiterahana. Misy ireo tsy mety mahazo zaza satria tsy mety bevohoka na maty ao am-bohoka ny zaza. Miteraka adihevitra maro araka izany ny mety fisian'ny mosavy izay manembatsembana ny anjara masoandron'ireo te ho reny. Tsy inona izany fa ny lafika.

Inona no atao hoe lafika ?

Tranga matetika miseho eto fiarahamonina Malagasy ny vehivavy voalafika. Ireo vehivavy bevohoka no tena andairan'izany. Ao kosa nefa ireo vehivavy mitady zaza, izay tsy mety manana anaka na dia ampy tsara aza ny hoenti-manana amin'ny fitsaboana, amin'ny raharaha, sns.
Raha lazaina amin'ny fomba tsotra, rehefa misy mamorika ny vehivavy, lasa misy lafika manindry ny tranonjanany ka mahatonga ireto tranga manaraka ireto :

Tsy mety mitoe-jaza ;

Tsy mahatana zaza fa lasa foana vao manomboka eo amin’ny faha 3 volany no miakatra ;

Marary lava eo ampitondrana Vohoka ka miafara amin’ny fialàn’ilay zaza

Saro-piterahana na tsy mety mivoaka ilay zaza fa misy manakana (rà maina, lomotra na ravin'anana)

Tsara ny manamarika fa misy aza ireo vehivavy mbola tsy manambady no efa nisy nanao lafika sahady. Matetika no mahare fihetsehana ao amin'ny ila-kibo havia. Misy ihany koa ireo mandeha "perte" na mikorontana ny fadimbolana. Ho an'ireo vehivavy manambady efa voa kosa, 75%n'izy ireo no nanambara fa rehefa hiteraka mihitsy vao fantatra hoe nisy nanao lafika. Tsy hitan'ny "écographie" mantsy ilay "sompatra" manakana ny fivoahan'ny zaza.

Inona avy ny fomba azo itsaboana ny lafika ?

Samy manana ny finoany ny tsirairay mikasika ny lafika. Ho an'ireo izay mihevitra fa nisy nisompatra, matetika izy ireny no manantona mpitsabo nentim-paharazana. Amin'ny maha-mosavy azy mantsy, mila olona manana hery manokana ny fanasitranana. Mety ho fantatra amin'izany ny olona izay nametraka ny lafika.
Tsy vitsy kosa nefa no tsy resy lahatra amin'ireo fombafomba isan-karazany, na amin'ny fanantonana olona mandala ny fivavahana nentin-drazana na ireny renin-jaza ireny. Izany indrindra no mampitombo isa andro aman'alina ireo mpikaroka izay mandroso fangaro natoraly anafahana ilay "mosavy". Ity manaraka ity ohatra dia azo andramana tsara, indrindra ho an'ireo efa afa-nenina : "lavenona azo amin'ny ahitra".

Maka sesika kidoro ( ilay bozaka na ahitra maina ao anaty kidoro ireny)

Dorana iny bozaka azonao avy ao iny ary alaivo ny lavenona avy aminy.

Atao anaty rano iray vera ny lavenona antsasaky ny sotro fihinanana

Ampiana vaingan-tsira lehibe 3 dia afangaro.

Rehefa vita izay dia maka rano amin’ilay izy isotroana iray sotro (azo averimberina)

Maka 3 sotro araraka eo ambony kibo ary safoina miodina manaraka ny fihodin’ny famantaranandro.

Raha manana tsindrimandry hafahafa dia azo atao tsara ny manantona reninjaza. Tsy vitsy ihany koa ireo misoroka ny tsy ampoizina amin'ny alalan'ny fisotroana dite ravimboafotsy (tsy misy siramamy) isan'andro, mandritra ny fitondrana vohoka.
Marihana nefa fa tsy voatery hitombina ny ahiahy amin'ny fisian'ny lafika. Izany indrindra no amporisihana ny vehivavy rehetra mba hanantona manam-pahaizana manokana rehefa tojo olana ara-pananahana. Raha tsy mety mahazo zaza ohatra ny mpivady ao anatin'ny enim-bolana, tsara ny manatanteraka fizahana manokana isan-karazany ahafahan'ny mpitsabo mamaritra ny fitsaboana mety hahomby. Mila fitandremana tokoa ny fandraisana fanafody na vokatra natoraly misy fiantraikany amin'ny tranonjaza.

Inona avy ireo fomba isorohana ny lafika ?

Miseho amin'ny endrika samihafa ny fisomparana. Mba isorohana ny lafika sy ireo mosavy samihafa, tsara raha tandremana fatratra ireo singa momba ny tena sy ireo sary. Matetika mantsy ireo mpanao ratsy no mampiasa sary, volo, hoho, sns. Na dia mahafinaritra aza ny mahazo sitraka amin'ireo havana sy namana, tsy mahasoa ny fanaparitahana sary amin'ny tambazotran-tserasera. Ilaina ihany koa ny mipiripirina rehefa mahatontosa dingana lehibe toy ny fahombiazana eo amin'ny asa. Ny fialonana mantsy dia anisan'ny mampitsiry hevi-dratsy any an-tsain'ny olona.
Ho an'ireo vehivavy bevohoka na mikasa hiteraka, azo tandremana tsara ireto tanisaina manaraka ireto :

Tsy mipetraka ambony bozaka na tany tsy marina ;

Tsy mametrapetraka ireo fitaovana fampiasa matetika toy ny fihogo ;

Tsy misehoseho na mampiseho sary amin'ny tambazotran-tserasera ;

Tsy avela kitihin'olona tsy ahatokisana ny kibo ;

Tsara kokoa raha sakafo voakarakara ao an-tokantrano ihany no hohanina.

Amporisihina ny vehivavy tsirairay mba hitsinjo ny fahasalamana ara-pananahana. Tsy mahasoa velively ny fihinanana na fitsindromana fanabeazana aizana misy akora simika ho an'ireo mbola tsy niteraka. Ny fanalan-jaza moa dia mila fadiana tanteraka mba isorohana ny tsy ampoizina, eny da na ho an'ireo efa niteraka aza nefa te hametra isan-jaza. Tsy vitsy ireo vehivavy nanandrana nanala zaza no tsy miteraka intsony na atao avokoa aza ireo fomba natoraly sy ara-tsiantifika rehetra. Misy ihany koa ireo voatery esorina tanteraka ny tranon-janany noho ny ratra anaty nandritra ny fanalan-jaza.

Inona avy ireo hevi-diso mikasika ny lafika ?

Tsy ilaozan'izay te hisompatra, indrindra moa fa raha mahita tokantrano metimety ny hafa. Na izany aza nefa, tsy voatery ho tratran'ny lafika ny vehivavy iray isaky ny misedra olana amin'ny fananana anaka na amin'ny fiterahana.
-Tsy azo lazaina fa lafika no sakana amin'ny fananana anaka raha efa nisy fanalan-jaza teo aloha. Toy izany ihany koa ny fihinanana pilina tsy maha-bevohoka misesy loatra, indrindra fa ny "pilule du lendemain". Mety maro araka izany ny antony mahatonga ny tsy fahatomombanana ara-pananahana. Azo atao tsara ny manantona dokotera ahafahana mahafantatra misimisy kokoa ireo izay mety antony tsy mahatomombana ny fitadiavana zaza sy ny fiterahana.
-Ny fahafahan-jaza dia vokatry ny harerahana matetika. Mety ho afa-jaza ny vehivavy iray raha manohy ny asa mahazatra fanaony nefa efa mitondra rano. Sarotra nefa ny mahafantatra mialoha ny toe-batan'ny vehivavy iray. Tsy azo ampitahaina ihany koa ny fitondrana vohoka. Tsy vitsy ireo renim-pianakaviana efa niaina vohoka nilamina tsara sy nisy fahasarotana. Ny mpitsabo no tena manana fanazavana azo antoka ny amin'ny antony nahatonga ny vehivavy iray ho afa-jaza.
-Ny fahasarotam-piterahana ihany koa dia tsy azo adika hoe tsy maintsy lafika. Ara-boajanahary mantsy ny fahararian'ny vehivavy sy ny mety fahasahiranany mamoaka zaza. Izany indrindra no anantonana toeram-pitsaboana rehefa hiteraka. Azo atao tsara ny miroso amin'ny fandidiana rehefa tsy tafavoaka ilay zaza, mba hiarovana ny ain'ny reny sy ny zaza. Raha toa ka mandà izay lazain'ny mpampivelona na ny mpitsabo ilay renin-jaza sy ny fianakaviany, tsy sompatra velively no antony mety hamoizana aina.

Lire la suite

Articles Similaires