• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Puits De Science
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahazakana lalana : ireo fomba atao mba tsy handoa

04/07/2023 16:13 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny fialan-tsasatra lehibe ka efa maro sahady ireo fianakaviana manomana ny fandehanana hamonjy ranomasina. Miferotr’aina sahady ihany koa ireo tsy mahazaka lalana na ireo mandoa rehefa mandeha fiara lavitra. Ireto ary misy torohevitra hisorohana izany tsy fahazakana lalana izany.

Inona no antony mahatonga ny tsy fahazakana lalana rehefa mandeha fiara lavitra ?

Ny tsy fahazakana lalana dia avy amin’ny fahazoan’ny atidoha hafatra mikorontana na mifanohitra avy amin’ny maso sy ny singa iray ao anatin’ny sofina. Ireo taova roa ireo no manome « informations » ho an’ny atidoha mikasika ny fihetsiky ny vatana. Izany hoe ny maso mahita fa mihetsika ny vatana rehefa mandeha fiara ary ilay singa anatin’ny sofina kosa milaza fa tsy mihetsika ny vatana.
Nohon’ny tsy fitovian’ireo informations ireo tonga any amin’ny atidoha dia manjary mikorontana ihany koa ny baiko omen’ity farany amin’ny vatana. Izany indrindra no mahatonga ny tsy fahazakana lalana, toy ny hoe maloiloy, mandoa, fanina sy tsy mahazo aina. Ahoana ary no atao mba hiadiana amin’ny tsy fahazakana lalana ?

Sakafo maivana no hoanina alohan’ny handeha fiara lavitra

Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fahazakana lalana rehefa mandeha fiara lavitra ny fihinanana sakafo alohan’ny fiaingana. Rehefa tsy misakafo tokoa mantsy dia manjary lasy misy rivotra ao anatin’ny vavony ka mampitombo ilay maloiloy sy te handoa rehefa eny an-dalana. Tandremana kosa nefa mba ho sakafo maivana sy mora levonina no hoanina. Fadiana ny mihinana sakafo be menaka, zava-pisotro misy gaz na misy alikaola alohan’ny fiangana na mandritra ny dia raha toa ka tsy mahazaka lalana.

Maka toerana tsara rehefa ao anaty fiara

Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fahazakana lalana ny maka toerana tsara rehefa ao anaty fiara. Miezaka tsy mihetsiketsika be rehefa mandeha ny fiara fa miankina tsara. Raha ilaina dia atao somary mitsilany ny seza ary miezaka maka torimaso. Ny seza eo aloha, eo akaikin’ny mpamily no tsara hipetrahana raha tsy mahazaka lalana. Fadiana ihany koa ny milalao finday na tablette rehefa mandeha ny fiara satria vao maika mampitombo ilay fanina sy ilay maloiloy izany.

Miezaka manary dia arak’izay azo atao

Mila manary dia rehefa eny an-dalana ary fadiana ny mieritreritra na mihaino be ilay fahatsapana tsy fahazakana lalana. Azo atao ohatra ny mihaino hira, mihirahira, miresaka, manao kilalao hanalana ny lalana… Atao mafy tsara ny saina ary homanina mialoha mba tsy ho tampohin’ny faharetan’ny dia. Ilaina ihany koa ny mijanona kely tsindraindray, ohatra isaky ny adiny roa, mba ahafahana maka aina kely sy ampitoniana ny atidoha.

Mampiasa ireo torohevitra manome « effet placebo »

Maro ireo torohevitra henontsika atoron’ny olona mba hisorohana ny tsy fahazakana lalana. Maro amin’izy ireny no antsoin’ny teny vahiny hoe « effet placebo » nefa dia mandaitra. Izany hoe raisin’ny saina ilay torohevitra ka lasa manaiky izany ny atidoha. Rehefa manaiky ny atidoha dia manjary foana ho azy ireo fikorontanan’ny vatana miteraka ilay tsy fahazakana lalana. Anisan’ireny torohevitra ireny ohatra ny fipetrahana eo ambony gazety rehefa mandeha fiara lavitra, manisy aspirine eo amin’ny foitra… Misy ihany koa etsy andaniny ireo misafidy ny mihinana fanafody tsy mampandoa alohan’ny handeha. Ny mpitsabo irery ihany kosa nefa no mila antonina vao afaka misafidy ny mihinana fanafody.

Lire la suite

Articles Similaires