• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra tsotra ho fiarovana ny maso amin’ny vokadratsin’ny écran

04/07/2023 10:04 © Moov.Mg

Finday, solosaina, fahitalavitra… maro ireo fitaovana misy écran ampiasaintsika amin’ny andavanandro. Mitarika fahasimban’ny maso ny fampiasana azy ireny rehefa ela ny ela. Ndeha ho jerena miaraka eto ary ireo torohevitra tsotra ho fiarovana ny maso amin’ireo vokadratsin’ny écran.

Ireo vokadratsin’ny fampiasana fitaovana misy écran amin’ny andavanandro

Alohan’ny iresahana ireo fiarovana ny maso amin’ny écran dia ndeha resahina ireo vokadratsy aterak’ity farany amin’ny fahasalaman’ny maso. Ny fampiasana fitaovana misy écran matetika sy ela loatra amin’ny andavanandro dia mamizaka sy manimba ny maso. Rehefa mandeha ny fotoana dia manjary lasa maina ny maso, tsy mahazaka hazavana na koa lasa misy tsy fahatomombanana eo amin’ny fahitana. Azo atao tsara kosa nefa ny misoroka ireo vokadratsin’ny fijerena écran isan’andro ireo arak’ireto zaraina manaraka ireto.

Manao solomaso misy filtre anti-lumière bleue

Mampita hazavana antsoina hoe « lumière bleue » ny écrans rehetra. Ny lumière bleue dia manafaingana ny fahanteran’ny rétine, izay singa iray ao anatin’ny maso, ka mety hiteraka fahasimban’ny maso rehefa miha mahazo taona ilay olona. Manampy betsaka isorohana izany ny fanaovana solomaso misy verres anti-lumière bleue. Ireto farany dia afaka manakana hatramin’ny 40% an’ireo hazavana manimba maso ampitain’ny écrans. Tsy ireo olona misy areti-maso moa no afaka mampiasa itony karazana solomaso itony satria tsy voatery misy degrés ny verres anti-lumière bleue.

Amboarina ny hazavan’ny écran amin’ireo fitaovana ampiasaina

Ilaina tokoa ny manamboatra araka ny tokony ho izy ny hazavan’ny écran amin’ny fitaovana izay ampiasaina amin’ny andavanandro. Ho an’ireo miasa eo amin’ny solosaina mandritra ny ora maharitra dia tsara raha ahena ny hazavan’ny écran mba hamerana ny lumière bleue ampitainy. Toy izany ihany koa moa ireo fitaovana hafa toy ny finday sy ny tablette. Mitsofoka anatin’ny « paramètres » an’ilay fitaovana mba ahafahana manamboatra ny hazavana tsy mamizaka ny maso. Raha ny solosaina manokana dia ny « éclairage nocturne » no tsy mamizaka ny maso kokoa.

Atao maka aina matetika ny maso

Mila atao maka aina matetika ny maso mba hamerana ny havizanany rehefa mampiasa fitaovana misy écran. Tandremana tsara mba tsy hiandry hoe reraka ny maso vao miala eo amin’ny écran. Tsara raha manalavitra ity farany mandritra ny folo minitra isaky ny adin’ny roa. Ampy hanamandoana ny maso sy miaro azy tsy ho maina ny fizarana manao izany fakana aina kely izany. Mety kokoa raha mivoaka eny an-tokontany ary mandinika zavatra alavitra rehefa miala ny écran. Fomba iray ahafahana mampihetsika ny maso sy miaro azy amin’ny vokadratsin’ny écran izany.

Misotro rano tsara

Manana anjara lehibe amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny maso ihany koa ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Manome rano sy manamandina ny maso ny fisotroana rano ka miaro azy amin’ny fahamainana vokatry ny fijerena écran ela loatra. Manampy amin’ny fisorohana ny areti-maso ateraky ny écran ihany koa moa izany. Tandremana tsara noho izany ny misotro rano 1,5 litatra isan’andro farafahakeliny, indrindra raha miasa eo am-pototry ny solosaina isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires