• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Chiffre D'Affaires
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo mahasalama : tandremo ny fihinanana poulet de chair !

03/07/2023 16:24 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo be mpankafy tokoa ny poulet de chair na ireo akoho fakana nofony noho izy malemy, be nofony ary mora vidy kokoa nohon’ny akoho gasy. Fantaro nefa fa tsy azo hoanina matetika ny poulet de chair fa mety mankarary. Ndeha nge ho resahina e !

Inona tokoa moa ny maha samihafa ny poulet de chair amin’ny akoho gasy ?

Mety maro amintsika no mbola tsy mahafantatra ny maha samihafa ny poulet de chair amin’ny akoho gasy. Ny akoho gasy dia ireo karazana akoho ompiana amin’ny fomba ara-boajanahary. Izany hoe omena sakafo natoraly toy ny katsaka sy anana mba hampitombo azy ara-dalana. Maharitra amam-bolana ny akoho kely vao lehibe sy mety hoanina.
Ny akoho fakana nofony kosa etsy an-daniny dia omena sakafo misy akora simika toy ny « provande » misy vitamines sy fanafody maro karazany mba hanafainganana ny fahalebiazany. Herinandro vitsy dia efa mahatratra 1,5 kg hatramin’ny 2 kg ny akoho iray ary dia tena nofosana tokoa.

Ireo vokadratsin’ny fihinanana poulet de chair be loatra

Araka ireo voalaza ireo dia tsy alehibiazina amin’ny fomba natoraly ny poulet de chair noho izy ilaina mahazo lanja sy nofony vetivety. Mba ahatongavana amin’izany dia misy ireo sakafo manokana omena ireo akoho.
Anisan’ireo akora ampiasaina amin’ny sakafo mampitombo haingana azy ireo ny katsaka, soja, farine de poisson, vitamines, acides aminés (lysine sy méthionines), minéraux… Marihina moa fa miova arakaraky ny herinandro halebiazan’ny akoho (stade de croissance) ny karazana provande omena azy. Tsy tokony hisy atahorana amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fihinanana poulet de chair halebiazina amin’ny ny provande bio na ireo mitahiry akora natoraly tsisy fangarony.
Misy kosa etsy andaniny ireo poulet de chair omena provandes misy antiobitiques na hormones de croissances mba hampitombo haingana azy. Mijanona eo amin’ny nofon’ireo akoho ireo akora simika ireo ka manjary mampihena ny hery fiarovan’ny olona mihinana azy. Mety mitarika aretina hafa toy ny cancer na ihany koa intoxications bactériennes toy salmonellose ny fihinanana matetika ireny poulet de chair ireny. Marihina moa fa ny hoditr’ireo akoho fakana nofony no voalazan’ny mpitsabo fa tena mankarary noho izy ireny matavy ary indrindra mitahiry kokoa ireo singa simika avy amin’ny provande.

Lire la suite

Articles Similaires