• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Pros De La Petite Enfance
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza mifanintona vokatry ny fanaviana : inona no atao ?

29/06/2023 11:18 © Moov.Mg

Zaza manavy lasa mihenjakenjana tampoka, mikainkona ny tanany, tsy mahatsiaro tena… tandremo fa mety efa mifanintona izy. Amin’ny ankapobeny dia mandalo ihany ny fanintona amin’ny zaza manavy ary tsy misy atahorana. Misy kosa nefa ireo fihetsika atao mba ho fiarovana ny zaza mifanintona mba tsy hampihitatra izany.

Inona no mahatonga ny zaza mifanintona ?

Rehefa manavy ny zaza iray ka miakatra ambony be tampoka ny hafanany dia izay no mitarika ny fanintona. Izany hoe, ilay hafanana ambony loatra no miakatra any amin’ny atidohany ka ny fiarovan-tena ataon’ity farany no mahatonga ilay fanintona. Marihina fa ny zaza manodidina ny 7 volana hatramin’ny 5 taona matetika no tratry ny fanintona vokatry ny fanaviana. Tsy azo afangaro amin’ny androbe na épilepsie ny fanintona (convulsion) mahazo ny zaza manavy. Ny fanintona eo amin’ny olona épileptique dia fomba iray fisehon’ilay aretina fotsiny ihany.
Ny fanintona eo amin’ny zaza manavy dia vokatry ny fiakaran’ny hafanana be loatra rehefa miady amin’ny viriosy ny hery fiarovan’ny zaza marary. Matetika moa dia ny zaza voan’ny gripa mahery sy ny tazomoka no mety hiakatra be tampoka ny mari-pana rehefa manavy ka mety hifanintona. Manomboka eo amin’ny 39°C no miakatra ny maripana ny zaza manavy no mila mitandrina tsara ny ray aman-dreny satria mety hampifanintona azy izany raha tsy zakan’ny atidohany.

Ahoana fitrangan’ny zaza mifanintona ?

Mitovy foana amin’ny ankapobeny ny fitrangan’ny zaza mifanintona. Mihenjakenjana na miovitrovitra ny vatany manontolo avy eo mikainkona ny vatana sy ny rantsan-tanana. Mety hiakatra ihany koa ny masony. Minitra vitsivitsy avy eo dia misy ilay antsoina hoe « relâchement », izany hoe mijanona ilay mikainkona, miverina midina ny maso ary tsy mahatsiaro tena ilay zaza.
Matetika dia maharitra eo amin’ny 5 minitra eo ny fanintona. Tsy voatery mitovy avokoa nefa izany fotoana faharetany izany fa miankina amin’ny toe-batan’ny zaza tsirairay. Araky ny voalaza teo ambony dia tsy tokony mampatahotra loatra ny zaza manavy mifanintona indroa na intelo. Raha maharitra ela loatra nefa ilay fanintona na miverimberina matetika dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Mila jerena manokana ihany koa ny antony mahatonga ilay fanintona raha toa ka faritra iray amin’ny vatana ihany no mihovitrovitra.

Ahoana no atao raha mifanintona ny zaza manavy ?

Ny zavatra atao voalohany rehefa sendra mifanintona ny zaza manavy dia mila arovana izy mba tsy haratra. Esorina avokoa izay zavatra mety handratra manodidina azy. Esorina ny pataloha, vahana ny bokotra akanjo sy izay rehetra mety manohintohina ny respiration ny zaza. Atao maivamaivana ny akanjony ary fadiana ny mampiboridana azy mba hialana amin’ny choc thermique.
Rehefa mihatony ny zaza mifanintona dia apetraka en Position Latérale de Sécurité (PLS), izany hoe tazomina mihorirana fa tsy mitsilany, ny loha atao somary ambanimbany. Izany dia no atao mba hiarovana azy tsy kenda raha sendra mandoa izy mandritra ny crise. Tsy azo fehezina tsy hietsika ny vatany ary tsy sokafana ny vavany raha tsy hoe nisy zavatra atahorana ho voatelina ao anatiny. Mila jerena ny faharetan’ny fanintona satria ilain’ny mpitsabo izany. Entina any amin’ny mpitsabo ny zaza vao tapitra ilay crise.

Lire la suite

Articles Similaires