• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Actualité
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fijanonan’ny fo tampoka na « arrêt cardiaque » : Tandremo fa mahafaty !

28/06/2023 14:45 © Moov.Mg

Maro eny amin’ny fiarahamonina eny no nahitana olona matory tsy mifoha na maty tampoka tsy afaka nialana nenina. Anisan’ny antony voalohany mitarika fahafatesana tsy ampoizina ny fijanonan’ny fo tampoka na « arrêt cardiaque ». Ndeha ho resahina ireo fambara ahafantarana olona manao arrêt cardiaque, ireo antony mahatonga izany ary ny fisorohana azo atao.

Inona no atao hoe « arrêt cardiaque » na fijanonan’ny fo tampoka ?

Sokajiana ho fahafatesana voajanahary ny fahafatesana vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka na arrêt cardiaque. Ny fahatsentsenan’ny lalan-drà mitondra ny rà nahazo oxygène avy any amin’ny avokavoka mankany amin’ny fo moa mahazana no mahatonga izany fijanonan’ny fo tampoka izany. Rehefa tsy mahazo izany rà izany intsony ny fo dia mihena ny fidobony ary farany tsy mitempo intsony.
Mety ho tratry ny arrêt cardiaque avokoa na olona salama na olona efa manana aretin’ny fo. Ny olona manodidina ny 45 taona no miakatra, indrindra ireo mpanao fanatanjahantena, moa matetika no voakasik’izany. Mety mitarika fijanonan’ny fo tampoka ihany koa ny « infarctus du myocarde », izany hoe ny fahafatesan’ny ampahan’ny fo vokatry ny tsy fahampiana oxygène nankany amin’ny fo.

Ahoana ny fisehon’ny fijanonan’ny fo tampoka ?

Ny fomba ahafantarana fa manao arrêt cardiaque ny olona iray dia tsy mahatsiaro tena tampoka izy ary tsy maheno intsony raha resahina na kitihina. Mihena sy mihamalefaka ny respiration satria tsy tody any amin’ny avokavoka sy ny taova lehibe toy ny fo intsony ny oxygène. Amin’ny ankapobeny moa dia tampoka be sady tsy misy fambara ny fijanonan’ny fo tampoka.
Raha toa ka infarctus du myocarde no mitarika ilay fijanonan’ny fo tampoka dia mety hahatsapa fanaintainana maharitra sy teritery ao amin’ny tratra ary mahazo hatrany amin’ny sandry ilay olona, andro iray na ora maromaro alohan’ilay arrêt cardiaque. Mety hanao palpitation na tsy mahazo aina mihintsy. Eo amin’ny vehivavy mety hahatsiaro sempotra, maloiloy, marary eo amin’ny ambava-fo…
Mila fandraisan-tanana haingana dia haingana ny olona manao arrêt cardiaque mba ho fiarovana ny ainy. Atao massage cardiaque ilay olona mandrapahatonga ny mpitsabo na any amin’ny hopitaly. Marihina moa fa raha tsy voavonjy minitra vitsy ao aorian’ny fijanonan’ny fo tampoka ilay marary dia mety hitarika ny fahafatesany izany.

Inona no mahatonga ny fijanonan’ny fo tampoka ?

Ny 9 amin’ny 10 ny tranga fijanonan’ny fo tampoka dia avy amin’ny aretina cardio-vasculaire. Hoan’ireo olona latsaky ny 45 taona dia matetika avy amin’ny aretin’ny fo efa nanaranaka ary tsy hita mialoha. Ny olona avy voan’ny infarctus ihany koa dia mety ho tratry ny fijanonan’ny fo tampoka. Mety hampitombo ny risques ho azy ireo ny fifohana sigara, ny fisotroana toaka diso tafahoatra, ny diabeta, ny tsy fanaovana fanatanjahantena, ny fahatavezana ary ny cholestérol amin’ny taha ambony noho izy ireo mety mitarika fahatsentsenan’ny lalan-drà.
Mety mitarika arrêt cardiaque ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena mafy loatra. Ireo mpanao fanatanjahantena matihanina moa no tena voakasik’izany indrindra, nefa kosa mety ho tratra izany ihany koa ny olona tsotra manao fanatanjahantena.

Ireo fisorohana azo atao

Mba hisorohana ny arrêt cardiaque dia mila arahina maso ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà. Tsara raha manao fitiliana ny fo sy lalan-drà mba ahitana raha sanatria misy tsy fahatomombanana mampiahiahy ao amin’izy ireo.
Mila kolokoloina ihany koa ny fo sy ny lalan-drà amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fanaovana fanatanjahantena (tsy mafy loatra), ny fanarahana tsara ny fitsaboana raha efa manana aretin’ny fo. Ajanona ny fifohana sigara, ahena na ajanona ny fisotroana toaka, miezaka ny manena vatana raha toa ka vaventy loatra, tandremana ny tahan’ny cholestérol, … Tsy adino ny fialana amin'ny fahakizitinana.
Alohan’ny hiverenana manao fanatanjahantena raha efa nijanona elaela dia mila mizaha ny fahasalaman’ny fo sy manantona mpitsabo, indrindra ireo olona 35 taona no mihoatra. Raha mahatsiaro palpitation, manindrona na maneritery eo amin’ny tratra mandritra ny fanatanjahantena dia mila manantona mpitsabo avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires