• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Planète Zéro Déchet
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tongotra vakivaky : ahoana no fomba atao hitsaboana izany ?

20/06/2023 10:59 © Moov.Mg

Rehefa ririnina sy main-tany toy izao matetika no mipoitra ny tongotra vakivaky. Sady maharatsy endrika ny tongotra izy ireny no mety manaintaina ihany koa. Inona no mahatonga ny tongotra vakivaky ary ahoana no atao hikarakarana izany ?

Ny fisehon’ny tongotra vakivaky

Misy karazany roa ny tongotra vakivaky. Ny voalohany dia ilay mahavoa ny ranjo. Izany hoe makina ilay hoditra ka lasa marokoroko na mitresatresaka manify. Mety hanaintaina izy ireny raha toa ka tsy voakarakara araka ny tokony ho izy. Ny karazana tongotra vakivaky faharoa dia ilay mahazo ny vodi-tongotra. Lasa matevina ilay hoditry ny faladia ary misy tresatresaka miforona. Mihalalina ilay tresaka amin’ny vodi-tongotra raha toa ka tsy voakarakara ary mety hiteraka fery.

Ireo antony mahatonga ny tongotra vakivaky

Raha ny tongotra vakivaky eo amin’ny ranjo manokana no resahina dia ny hatsiaka sy ny vovoka no mahatonga azy ireny. Manamaina hoditra tokoa mantsy ireto farany ka raha tsy voakolokolo sy voaaro tsara ny tongotra dia lasa mitresaka sy vakivaky.
Mitovitovy amin’izay ihany ny mahatonga ny vodi-tongotra vakivaky. Na dia somary matevina kokoa aza ny hoditra amin’ny faladia dia mora vakivaky ihany koa ity farany. Ny fikasokasohana amin’ny tany, indrindra ny tany misy vovoka, no maha vakivaky ny vodi-tongotra. Miaro-tena ilay hoditra ka vao maika mihamatevina sy makina.
Raha tsy voakarakara ilay hoditra dia manomboka mitresatresaka sy vakivaky. Mampihitatra izany fahavakisana izany ihany koa ny tsy fahazotoana manasa tongotra. Miangona eo amin’ilay tresaka ny mikraoba ka lasa mihalalina ary mety miteraka fery.
Ny tsy fanaovana kiraro matetika loatra sy ny tsy fanasana tongotra isan’andro no isan’ny antony voalohany mahatonga ny tongotra vakivaky. Marihina fa misy ihany koa ny antony ara-pahasalamana mety mahatonga ny tongotra mora vakivaky, anisan’izany ny diabeta sy ny aretin-koditra toy ny psoriasis sy ny eczéma.

Ireo torohevitra hikarakarana ny tongotra vakivaky

Tsy tokony hisy atahorana ny manana tongotra vakivaky raha toa ka voakarakara haingana. Ireto manaraka ireto ary misy fomba tsotra sy mandaitra hitsaboana azy ireny :
Osorana eo amin’ilay vodi-tongotra vakivaky ny akondro masaka tsara rehefa avy novoasana sy nopotserina. Avela hilona 10 minitra vao kobanina. Atao isan’andro izany fikarakarana izany mandrapa afaka tsara ilay tresatresaka. Azo atao ihany koa ny manafangaro ny akondro amin’ny zavoka sy menaka voanio mba ho sitrana haingana sy halandina ny vodi-tongotra.
Fomba iray mandaitra hitsaboana tongotra vakivaky ihany koa ny fandomana ity farany ao anaty ranona voasary makirana. Izany hoe maka rano tsoa ary tapohina ranona voasary makirana misimisy mba ho somary marihitra. Lomana isak’alina ao anatin’izany fangaro izany ny tongotra mba halefaka sy hiala ny hoditra maty amin’ny faladia tongotra.
Tsy adinoina ny manasa tongotra isan’andro. tsy azo avela hilona indray alina eo amin’ny faladia sy ny ranjo ny loto, indrindra ny vovoka. Tsara raha savony malefaka sy tsy manamaina hoditra no ampiasaina. Rehefa alohan’ny hatory dia osorana huile d’olive na diloilo coco eo amin’ny faritry ny tongotra vakivaky, na ranjo na vodi-tongotra, ary manao ba kiraro mandritra ny alina tontolo.

Lire la suite

Articles Similaires