• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © May
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana sy fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina

19/06/2023 10:53 © Moov.Mg

Efa tafiditra tanteraka anaty vanim-potoana ririnina isika izao. Mivaramena, miofaka, vakivaky, indraindray maratra mihintsy ny hoditry ny zaza sy ny ankizy madinika nohon’ny tsy fahazakana hatsiaka. Ahoana ary ny fomba fikarakarana sy fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina.

Ireo antony ilaina fikarakarana sy fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina

Mbola manify sy marefo ny hoditry ny zaza sy ny ankizy madinika hatreo amin’ny faha 5 taonany eo. Izay indrindra no antony mahatonga azy mila fikarakarana manokana rehefa mangatsiaka ny andro. Ny hatsiaka sy ny rivotra mamanala tokoa mantsy dia tena manamaina hoditra ka mety hahatonga azy miofaka, mangidihidy, marokoroko, mivoara mena… Mety hitarika ratra ihany koa raha toa ka tsy ampy fikarakarana sy fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina.

Ireo torohevitra hikolokoloana ny hoditry ny zaza rehefa ririna

Mila fikolokoloana mihoatra nohon’ny fanao amin’ny andro mafana ny hoditry ny zaza rehefa tonga ny ririnina. Ireto avy ary ireo torohevitra hahafahana mikarakara sy miaro ny hoditry ny zaza sy ny ankizy madinika amin’ny vanim-potoana mangatsiaka :

Ampandroina tsara ny zaza

Anisan’ny fomba fikarakarana sy fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina ny fampandroana azy isan’andro. Mafy kokoa ary mahavita miady amin’ny hatsiaka mamirifiry ny hoditry ny zaza rehefa madio tsara. Rehefa mangatsiaka kosa nefa ny andro dia tandremana mba hihoatra ny 10 mn ny fampandroana ny zazakely mba hisorohana azy tsy hidiran’ny rivotra. Tsy tsara ihany koa ny milona rano ela loatra satria vao maika manamaina ny hoditra izany. Tsara raha savony malefaka sy tsy misy fofona no ampandroana ny zaza mba hiarovana ny hodiny.

Mampiasa menaka manamandina ny hoditra

Fahazarana iray efa fanaontsika malagasy ny manositra menaka ny zazakely rehefa avy mandro mba hampafana azy. Manampy betsaka amin’ny fiarovana ny hoditry ny zaza rehefa ririnina ihany koa izany. Rehefa tratry ny hatsiaka tokoa mantsy ny hoditr’izy ireny dia lasa maina. Mila osorana menaka izany ilay hoditra mba halandina sy hahazo rano. Anisan’ny tsara ampiasaina amin’ny zaza ny menaka coco tsy mitapoka sy ny huile d’amande douce. Azo atao koa ny mampiasa crème hydratante. Tandremana tsara kosa nefa mba ho ireo voatokana ho an’ny zazakely no vidiana.

Ampanaovina akanjo mafana sy malefaka ny zaza

Mazava hoazy fa mila atao mafana hatrany ny akanjon’ny zaza sy ny ankizy rehefa mangatsiaka ny andro. Tsara kokoa raha akanjo vita amin’ny lamba malefaka toy ny coton no ampanaovina azy, indrindra ny akanjo anatiny mikasoka mivantana amin’ny hoditra. Raha toa ka efa maina vokatry ny hatsiaka mantsy ny hoditry ny zaza dia mety vao maika handratra izany ny lamba somary mafy na enjana. Tsy adinoina ny manosotra crème ny takolaka sy ny oron’ny zaza rehefa alohan’ny hivoaka ny trano noho izy ireny mora vakivakin’ny hatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires