• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bébés Et Mamans
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ndeha ho resahana ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka

16/06/2023 09:58 © Moov.Mg

Anisan’ireo fiovan’ny vatana mampijaly vehivavy maro ny fisian’ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka. Fa inona tokoa moa no antony mahatonga azy ireny ary ahoana no atao hiadiana amin’izany ?

Ireo antony mahatonga ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka

Miakatra ireo hormones ao amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Mitarika fivelarana kokoa eo amin’ny lalan-drà izany. Rehefa miha mandroso ny vohoka ka miha lehibe ny tranon-jaza dia lasa mihatery ny lalan-drà lehibe izay mitondra ny rà mankany amin’ny fo. Vokatr’izany dia tsy miverina tsara mankany amin’ny fo ny rà ka lasa misy mivangongo ao amin’ny tongotra. Izany indrindra no mitarika ny fivontosan’ny lalan-drà izay antsoina hoe varisy. Mety ahitana varisy avokoa na eny amin’ny fe, ranjo na ny fivaviana.

Ireo fomba hisorohana ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka

Marihina fa tsy mipoitra tampoka ny varisy. Matetika dia misy fambara mialoha tokony hanaitra ny vehivavy mitondra vohoka ka afaka manampy azy amin’ny fisorohana ny fipoitran’izany. Anisan’izany fambara izany ny fahatsapana fa mavesatra ny ranjo, voly matetika, manaintaina tampoka…
Mba hisorohana ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka dia tokony mazoto mihetsiketsika sy mandeha tongotra ny vehivavy bevohoka. Izany dia manatsara ny fikorian’ny rà amin’ny vatana rehetra. Fadiana ihany koa ny mijoro na mipetraka mandritra ny fotoana maharitra mba tsy hitsotsorika ela loatra ny tongotra. Rehefa mipetraka dia tsy atao mifanaingina ny tongotra satria manery ny lalan-drà izany.

Ireo vahaolana hampitoniana ny varisy

Raha toa ka efa misy varisy ny vehivavy mitondra vohoka dia misy ireo vahaolana azo atao ampitoniana ny fanaintainana sy hisorohana ny fihitarany. Voalohany amin’izany ny fifadiana ny fanaovana kiraro avo (na talon) mihoatra ny 2 na 3 santimetatra. Mamizaka ny ranjo tokoa mantsy ny fanaovana ireny kiraro ireny ka vao maika mampitombo ny varisy.
Mampitony ny varisy ihany koa ny fampiakarana ambony ny tongotra mandritra ny 15 minitra isan’andro. Rehefa vita izay dia orina ny tongotra, avy any amin’ny ranjo miakatra any amin’ny fe. Manamora ny fiakaran’ny rà ny fanaovana izany. Isaky ny hariva dia lomana rano mangatsiaka ny tongotra mba hisorohana ny fivelaran’ny lalan-drà be loatra.
Tsara foana nefa ny manantona mpitsabo raha toa ka tsy mety mihena ny fanaintainana na mitombo be ny haben’ny varisy mba hahazo fitsaboana mifanaraka amin’ny izany. Amin’ny ankapobeny moa dia afaka ho azy ny varisy mandritra ny fitondrana vohoka rehefa aorian’ny fiterahana.

Lire la suite

Articles Similaires