• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme D'Aujourd'Hui
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana no atao hampitoniana zazakely misy rehoka sy maneno tratra ?

15/06/2023 10:17 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao no mirongatra ny sery sy ny kohoka. Maro ny zazakely misy rehoka sy maneno tratra. Raha tsy manavy, mety minono sy misakafo ny zaza dia azo atao tsara ireto torohevitra ireto hampitoniana azy sy hanesorana ny rehoka manentsina ny tratran’ny zazakely.

Diovina matetika ny oron’ny zazakely misy rehoka sy maneno tratra

Manampy betsaka ary mampitony ny ny zazakely misy rehoka sy maneno tratra ny fanadiovana matetika ny orony. Ny sérum physiologique na SSI vidiana eny amin’ny farmasia no ampiasaina amin’izany. Atao matetika ny fanadiovana ny oron’ny zaza, indrindra rehefa alohan’ny hisakafo mba hampivoaka ny lelo. Ity farany tokoa mantsy no midina mankany amin’ny tratra ary mivadika rehoka raha toa ka tsy diovina hivoaka. Tsara ihany koa raha mampiasa « mouche bébé », ilay fitaovana fitrohana ny lelon’ny zaza mbola tsy mahay manisina.

Manao evoka ranon-tsira

Ilain’ny zazakely misy rehoka sy maneno tratra ny fanaovana evoka ranon-tsira ao an-trano. Mampangotraka rano anaty vilany iray misarona ary asiana sira. Esorina ny sarony rehefa mangotraka tsara ny rano ary avela hanentoento toy ny hevoka ao amin’ny efitranon’ny zaza. Raha efa lehibebe (mihoatra ny telo taona) ity farany dia afaka atao manantona ny entona (tsy akaiky loatra sao may) mba hiasan’izany tsara. Azo atao ihany koa ny mampiasa humidificateur. Mila tandremana kosa izy ireny satria mora hiparitahan’ny bactéries.

Atao mafana tsara ny tratran’ny zazakely voan’ny sery

Mila atao mafana tsara hatrany ny tratran’ny zazakely voan’ny sery mba tsy hivaingana ny lelo ka hampisy rehoka. Izany hoe atao mafana ny akanjo tapany ambony. Ny tenda sy ny tratran’ny zaza no ezahana arovana tsara mba tsy ho tratry ny hatsiaka. Fomba iray mampafana ihany koa ny fanorana ny tratra sy ny lamosin’ny zaza amin’ny menaka mafana toy ny menaka diloilo tsy mitapoka. Azo atao ihany koa ny mametraka « bouillote » mafana eo amin’ny tratra sy lamosin’ny zaza mba hampitsonika ilay rehoka.

Omena rano matetika ny zazakely misy rehoka sy maneno tratra

Tsy adinoina ny manome rano matetika ny zaza enim-bolana no mihoatra. Rano matimaty na rano mafana no ampisotroina azy satria ny hafanana no mampitsonika ny rehoka manentsina ny tratra. Mora mivoaka haingana kokoa izany rehefa mitsonika. Ento mamonjy tobim-pahasalamana haingana kosa ny zaza raha sady manavy, tsy mety minono na misakafo, na koa tsikaritra fa lasa sahirana miaina.

Lire la suite

Articles Similaires