• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bbc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina bobo na varira : ndeha ho resahina !

14/06/2023 14:55 © Moov.Mg

Marihina isan-taona ny faha 13 jona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanairana mahakasika ny aretina bobo. Mbola maro amintsika malagasy no tsy mahafantatra ny mahatonga ity aretina ity, hany ka voahilikika tsy fidiny ny olona bobo na varira. Ho fanohanana ny ady amin’ny fanikikilihana azy ireo ary dia ho resahina eto ireo mila fantatra mahakasika izany aretina izany.

Inona no atao hoe bobo na varira ?

Ny varira na bobo dia aretina iray vokatry ny fikorontanan’ny fototarazo vokatry ny tsy fahampian’ny singa manome loko ny hoditra, ny maso sy ny volo. Nohon’ny tsy fahatomombanana amin’ny famokarana loko amin’ireo faritry ny vatana ireo dia misy fiavahana amin’ny olona sasany ny olona bobo.
Misy karazany roa moa ity aretina ity. Ny karazany voalohany dia ny varira mahavoa ny hoditra, ny maso ary ny volo. Izany hoe fotsy be ny hoditra, mavo ny volo rehetra amin’ny vatana ary miloko manga na mena ny maso. Ny karazany faharoa kosa dia mahakasika ny maso irery ihany.
Ny tsy fahatomombanan’ny « chromosome » amin’ilay olona no mahatonga ny aretina varira. Efa hatrany am-bohoka izany ity aretina ity ary mifindra avy amin’ny ray aman-dreny mankany amin’ny zaza noho ny fiovan’ny fototarazo. Mazava ho azy no izany fa tsy mamindra amin’ny olon-kafa ny aretina varira na bobo.

Ahoana ny fisehon’ny aretina varira ?

Manana olana eo amin’ny fahitana ny varira nohon’ny tsy fahampian’ny famokarana loko eo amin’ny maso. Amin’ny ankapobeiny dia tsy mahita amin’ny alina ary tsy mahita lavitra ny olona bobo. Tsy mahazaka masoandro sy hafanana ny hoditr’izy ireo. Vokatr’izany dia mety maro ireo olana ara-pahasalamana mety hahazo azy nohon’ny tsy fahatomombanan’ny fototarazo ao aminy.
Mety mahavoa ny ankizilahy sy ny ankizivavy ny varira mahazo ny hoditra, ny maso sy ny volo. Ity moa no karazana aretina bobo fahita matetika indrindra. Ho an’ny varira mahazo ny maso fotsiny kosa dia ny ankizilahy ihany no voa noho izy vokatry ny fifindrana entin’ny chromosome X manokana.

Ireo fihevitra diso mikasika ny olona varira

Nirongatra tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ny halatra sy famonoana ankizy bobo na varira eto Madagasikara. Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany herisetra amin’izy ireo izany ireo fihevitra diso mahakasika ny aretina varira. Misy tokoa mantsy ireo mihevitra fa mananjina ny varira, manana taova miavaka noho ny olona rehetra izy ireo na koa hoe misy safira anaty ny masony.
Ankoatra ny fijaliana ara-batana iainany amin’ny andavanandro vokatry ny aretiny anefa dia mbola miampy ny tebiteby ateraky ny trangan’herisetra atao amin’izy ireo. Mbola misy koa etsy andaniny ny fanafody lafo vidy tsy maintsy ampiasainy mba hiarovana ny fahasalamany sy ny vatany. Koa ndeha hiara hientana ampahafantatra ny aretina varira mba hiarovana ny zon’izy ireo hiaina an-kalalahana !

Lire la suite

Articles Similaires