• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin'aty : Vokatry ny sakafo tsy ara-pahasalamana sy ny alikaola

30/05/2023 08:44 © Moov.Mg

Maherin'ny 60% amin'ireo marary aty dia mpisotro toaka avokoa. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa nefa ireo olona izay nahazo aretina noho ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana sy fanafody manimba ny aty. Tsy azo amaivanina ny fifindran'ny aretin'aty avy amin'ireo marary.

Inona no mahatonga ny aretin'aty ?

Ny "mauvaise habitude alimentaire" no tena mahatonga ny aretin'aty. Matetika isika no mihinana sy misotro tsy amim-piheverana. Ny alikaola no fahavalon'ny aty voalohany. Tahaka ny atin-kena alona anaty vinaigitra, izay malemy tanteraka afaka minitra maromaro, mampalemy ny aty ny toaka. Araka ny voalaza tetsy ambony, tsy ny mpisotro toaka ihany nefa no tratran'ny aretin'aty. Tsy vitsy ireo olona izay tsy mandray alikaola akory nefa mila fitsaboana haingana.
Mety mahatonga ny aretin'aty ireto teboka manaraka ireto :
-Fifohana sigara
-Fihinanana anti-inflammatoire na anti-douleur matetika
-Fihinanana sakafo be akora simika toy ny "charcuteries"
-Fihinanana kiendriendy (fritures)
Tsy fahampian'ny rano sotroina
Amin'ireto sokajy manaraka ireto kosa dia azo avy amin'olona marary aty ihany ny aretina. "Virus" araka izany no ahazoana ilay aretin'aty.
-Hepatite A : azo amin’ny alalan’ny rivotra,rano,sakafo.
-Hepatite B : mifindra amin'ny rà, ranon’aina, perte amin’ny vehivavy, firaisana tsy voaaro.
-Hepatite C sy D : azo mivantana avy amin’ny rà,olona efa voan’ny hepatite B matetika ny voany.

Inona ny fambaran'ny aretin'aty ?

Ny mpitsabo irery ihany no afaka manambara fa voan'ny aretin'aty ny olona iray. Misy ireo fitiliana isan-karazany atao amin'izany. Ny tsirairay kosa nefa dia mety hahatsapa fiovana amin'ny vatana ka mahatonga ny fanapahan-kevitra hanantona dokotera.
Ireto àry misy fambara vitsivitsy mety hitranga ahafantarana fa mety marary aty ny olona iray :
-Voan'ny sery matetika
-Rera-dava
-Verivery saina
-Mangidihidy ny vatana
-Lasa mavo ny hoditra sy ny maso
-Malaina hanao firaisana ara-nofo
-Misy faritra mivonto ny lamosina na ny ranjo

Inona atao rehefa marary aty ?

Ny dokotera irery ihany no afaka mamaritra ny fitsaboana na "traitement" arahina arakaraka ny tranga mahazo ilay marary. Tsy tsara araka izany ny mandray tambavy na fanafody isan-karazany izay iraisan'ny besinimaro ny fatrany. Mety voa maika mantsy hamotika ny aty ny fangaron-javatra samihafa tsy mifanaraka amin'ny filàna hanasitranana ny aretina.
Ilaina kosa nefa ny mifady sakafo mba tsy hampiitatra ny aretin'aty, sy mba hampahoby ny fitsaboana :
-Kiendiendy ;
-Charcuteries ;
-Hena mena ;
-Voamaina ;
-Epices.
Mila ajanona ihany koa ny fifohana sigara sy ny fandraisana alikaola. Raha azo atao dia "huile d'olive" no ampiasaina amin'ny sakafo. Tsy adino ny fisotroana rano 1,5 litatra isan'andro raha kely indrindra.
Ireto kosa ireo sakafo tena amporisihina ny fihinanana azy :
-Voankazo : Zavoka, Frezy, Pamplemousse
-Legioma : Laisoa, choux fleur, brocoli
-Tongolo gasy
-Dite maitso

Lire la suite

Articles Similaires