Fikarakarana volo : ireo torohevitra natoraly mampatevina volo
Maniry mba hanana volo matevina sy tsy mihintsana be intsony ve ianao ? Fantaro fa tsy voatery mividy « produits » fikarakarana volo lafo vidy vao tonga amin’izany tanjona izany. Ireto manaraka ireto misy torohevitra mampatevina volo tsotra sy mora atao azonao andramana.
Mampatevina volo ny fanapahana azy matetika ao anatin’ny taona
Mety tsy mampino nefa tena mandaitra ny hoe tapahana ny volo mba hampatevina azy. Mila miezaka manapaka volo isaky ny 3 volana mba hanalana ireo loham-bolo vakivaky sy simba. Ireny loham-bolo simba ireny tokoa mantsy no antony iray mampihintsana ny volo ka vao maika mampanify azy. Tsy voatery tapahana fohy be kosa anefa fa faranana kely foana ny lohany tapatapaka sy vakivaky. Ho salama kokoa ny volo amin’ny ankapobeiny ka mora haniry.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana
Miainga avy ao anatin’ny vatana ny fikolokoloana ny volo. Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana dia manampy betsaka amin’ny fanomezana sakafo ny hodi-doha sy ny fanomezana sakafo ny volo. Ny sakafo ahitana otrikaina toy ny protéine, fer, zinc, vitamine A, B, E no tena mila atao betsaka. Anisan’ny sakafo ahitana azy ireny ny trondro, zavoka, atody, hena na koa ny spiruline.
Manao masque amin’ny argile
Ny fanaovana masque amin’ny tanimanga dia anisan’ny fomba iray mampatevina volo haingana. Mila safidiana tsara kosa anefa ny karazana argile mety amin’ny karazam-bolonao. Ny argile verte no mety amin’ny karazam-bolo matavy na mitera-menaka. Ny argile jaune kosa mety amin’ny volo maina. Tsotra ny fampiasana azy. Maka argile 2 sotro fihinanana dia tapohana rano matimaty mba ahazoana fangaro matevina. Afaka ampiana menaka voanio kely. Osorana amin’ny volo maina ary avela hilona eo 20 minitra. Kobanina ilay tanimanga vao averina sasana amin’ny shampoing.
Orina ny hodi-doha
Ny fanorana ny hodi-doha indray mandeha isan’andro dia fomba iray manampy betsaka amin’ny fanatevenana ny volo. Rehefa horina ny hodidoha dia mikorina tsara ny rà ao aminy ka lasa mora maniry ny volo. Tsara raha ampiarahana amin’ny fampiasana irony menaka zava-maniry toy ny huile coco na huile de ricin irony izany fanorana izany mba ahazoana vokatra malaky kokoa.