• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bleu Yoga
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fihomehezana : mitondra vokatsoa maro ara-pahasalamana

08/05/2023 17:04 © Moov.Mg

Fahenontsika matetika hoe « mahalava andro iainana ny fihomehezana matetika ». Raha ny marina kokoa anefa dia mitondra vokatsoa maro ara-batana sy ara-tsaina ny fihomezana. Mila mihomehy 10 na 15 minitra isan’andro ny olona iray raha ny ambaran’ny mpitsabo. Inona avy ary ireo tombontsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihomehezana ?

Mampisinda ny rarin-tsaina ny fihomehezana

Rehefa mihomehy amin’ny fo mandritra ny 10 minitra ny olona iray dia ho tsapana avy hatrany ny vokatra tsara entin’izany amin’ny toe-pony. Ny fihomehezana tokoa mantsy dia miteraka « endorphines », antsoina ihany koa hoe tsirim-panentan’ny fahasambarana. Miasa mivantana amin’ny rarin-tsaina moa ity farany amin’ny fampihenana ny famokarana adrenalina. Mihena ny tebiteby sy ny adin-tsaina ka lasa misinda ny rarin-tsaina. Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fahaketrahana ihany koa ny fihomehezana. Manjary mitombo ny famokarana serotonine sy dopamine ao amin’ny vatana ka lasa falifaly lalandava ilay olona mihomehy matetika.

Mampitombo ny hery fiarovana ny fihomehezana

Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana ny fihomehezana, indrindra eo amin’ny faritry ny orona sy ny taovam-pisefoana. Tsy ho mora andairan’ny aretina noho izany ny olona tia mihomehy sy manao izany matetika. Anisan’izany aretina izany moa ny aretina an-doha, ny aretim-po sy ny fahaketrahana. Ho salama sy tsy ho farofy ny olona mampiaraka ny fihomehezana amin’ny fanaovana fanantanjahantena sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana.

Mampihena ny fanaintainana

Mampihena ny fanaitanana ny endorphine vokarin’ny fihomehezana. Rehefa mihomehy ihany koa ny olona iray dia mihena ny fihenjanan’ny hozatra ka lasa mamokatra tsirim-panentana antsoina hoe catecholamines ny vatana. Ity farany moa dia anti-inflammatoire miasa toy ny « morphine » voajanahary. Lasa somary dontodonto ny nerfs ka mihena ny fanaitainana rehefa mihomehy. Marihina fa manampy amin’ny fampitoniana ny fanaitainana fotsiny ihany ny fihomehezana ka tsy mahasolo ny fanafody omen’ny mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires