• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Franceinfo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fisolokiana tsy lefy laza : Zaza marary, vady nodidiana, vady maty teo am-piterahana ... nefa tsy misy vola

08/05/2023 05:49 © Moov.Mg

Miha-maro ireo olona mangataka fanampiana, na eny an-dalambe na any amin'ny tambazotran-tserasera Facebook. Olon'ny fihavanana tokoa ny ankamaroan'ny Malagasy, ka tsy vitsy ireo manolo-tanana ny hafa na dia tsy mifankahalala aza. Ny tena mampalahelo nefa dia efa miha-maro ireo manita-kevitra ahazoam-bola, amin'ny alalan'ny fisolokiana, ka mahavita mamorona aretina na olana goavana mila vola farak'izay haingana.

Filalaovana fihetseham-po

"Marary ny zanako, folo volana, ety amin'ny hopitaly XXX (Toerana ivelan'ny renivohitra). Mila fandidiana vonjimaika hanavotana ny ainy. Tsy ampy nefa ny eo am-pelatanana satria mitentina XXX tapitrisa ny vola ilaina. Mangataka fanampiana amintsika rehetra malala-tanana, na dia 100 ar aza. Azonao alefa amin'ny XXX (laharana misy MVola)". Santionan'ny fangatahana fanampiana tao amin'ny Tambazotran-tserasera io lahatsoratra fohy io. Nisy sary nampiarahina taminy, izay sarin'ilay zaza marary mafy, mba hanohana kokoa ny fon'ireo mpijery. Araka ny efa voalaza tetsy ambony, tsy vitsy ireo Malagasy eto an-toerana no mandefa izay tsirambin'ny tanana amin'ilay manana marary. Izany no atao dia hanampiana ny mpiara-belona, mba tsy hisy ny aina latsaka noho ny tsy fananana ny hoenti-manana amin'ny fitsaboana.
Matetika dia vehivavy no misoloky, satria mora ho azy ny milalao ny anjaran'ny renim-pianakaviana marary zanaka. Efa sahy miroboka kosa nefa ireo lehilahy ka ny ahazoan'izy ireo ny fon'ny maro dia ny hoe "mila vola andoavana ny faktioran'ny hopitaly fa nodidiana ny vadiko", na hoe "maty teo am-piterahana ny vadiko ka mila vola itondrana ny razana mody any an-tanindrazana sy ividianana ronono ho an'ny zazakely".

Fahamailoana

Rehefa mahita zarin-jaza marary ny ray aman-dreny dia mangoraka satria mba manan-janaka ihany koa. Izany indrindra no araraotin'ireo mpisoloky. Mampiasa sarin-jaza marary izay efa nindaosin'ny fahafatesana izy ireo matetika. Mody mametraka laharana efitrano amina toeram-pitsaboana ihany koa. Ny tena mahamaika azy ireo moa dia ny fametrahana laharana finday izay ahafahany mandray ny vola fanampiana.
Tsara tokoa ny fifanampiana, saingy ilaina ny fahamailoana. Raha te hanavotra olona tsy salama dia aleo manantona mivantana. Manana namana maro mantsy ireo mpisoloky izay mametraka "commentaires" mba hambaboana ny fon'ny mpampiasa Facebook. Raha ampiresahina amin'ny "Message Privée" ihany koa izy ireo dia mamaly soa aman-tsara sady mahay mitalaho ery.

Fitorohana

Taona vitsy lasa izay no nisy vehivavy iray nidoboka am-ponja noho ny fisolokiana mikasika ny fahasalaman-janany. Rehefa natao ny famotorana azy dia nanambara izy fa zatra nitserana sy nandray fanampiana ka zarany aza nitombo ireo mpanohana azy rehefa hita fa "aretina tena sarotra" ny "nanjo" ny zanany.
Maro ihany koa ireo efa mahatsikaritra laharana finday miverimberina amin'ny fangatahana fanampiana samy hafa. Tsy vitsy ny mahatadidy ireo sarin-jaza efa nodimandry izay mbola ampiasain'ireo olon-dratsy indray. Raha manana porofo mazava mikasika ilay fisolokiana, azo atao tsara ny mametraka fitoriana eny amin'ny manam-pahefana. Tsy azo atao ambanin-javatra ny famaizana ireo mpisoloky. Manimba ny fiaraha-monina izy ireny, sady manakana ny hafa tsy hanao soa rehefa misy olona tena mila vonjy ara-bola noho ny tsy fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires