• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © E-Santé.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mangatsiaka ny andro : 'Ndao sorohana ny aretim-bavony

04/05/2023 15:11 © Moov.Mg

Ny vaninin’andro mangatsika no fotoana mampietsika indrindra ny aretim-bavony. Na ny ankizy na ny lehibe mety ho tratry izany avokoa raha tsy ampy fitandremana. Fa inona tokoa no antony mahatonga ny aretim-bavony ? Inona avy ireo fisorohana azo atao ?

Inona no antony mahatonga ny aretim-bavony ?

Misy karazany maro ny aretim-bavony. Ny « ulcère » moa no tena mpahazo ny olona. Rehefa mihamanify na misy ratra na goaka ny vavony no atao hoe ulcère de l’estomac. Rehefa maratra na goaka ny vavony dia manaintaina, mampisalebolebo, mampandrezatra matetika, miteraka havizanana, mampahia… Mety mitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny aretim-bavony raha tsy voatsabo. Maro ireo antony mahatonga ny aretim-bavony. Anisan’izany ny :

Fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny fifohana sigara be loatra

fihinanana sakafo mavesatra sy saro-devonina

fisotroana rano na fihinana sakafo mamay matetika

fihinanana sakafo tsy masaka (voakanzo, legioma, hena) matetika

areti-nify tsy voatsabo ka mahantonga ny vavony hiasa be

rarin-tsaina na adin-tsaina mampikorontana ny fahazotoana misakafo

fikorontanan’ny ora fisakafoanana mampisy rivotra ao amin’ny vavony, indrindra rehefa taraiky.

Ireo torohevitra azo ampiharina hisorohana ny aretim-bavony

Azo atao tsara ny misoroka ny aretim-bavony amin’ny alalan’ny fanamboarana ny fomba fiaina. Atomboka amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana izany. Ahena na ajanona ny fisotroana toaka sy ny fifohana sigara izay anisan’ny antony voalohany mahatonga ny aretim-bavony. Ahena ihany koa ny fihinanana ireo sakafo mavesatra sy saro-devonina toy ny sakafo be menaka, vita avy amin’ny ronono, mamy loatra. Tsakoina tsara ny sakafo, indrindra ireo sakafo tsy masaka.
Ferana ny fihinanana sakafo marikify sy ny fisotroana zavatra misy gaz. Amboarina ny nify simba. Miezaka mandrakariva mampitony ny saina mba hialana amin’ireo rarin-tsaina mampalain-komana. Atao mitovy ny ora fisakafoanana mba tsy hampiditra rivotra ao amin’ny vavony. Mila tandremana tsara ireny rehetra ireny rehefa mangatsiaka ny andro mba hisorohana ny krizin’ny aretim-bavony. Tsy adinoina ny manao akanjo mafana rehefa mivoaka ny trano mba tsy ho mora tafidi-drivotra.

Ireo fomba natoraly manampy amin’ny fampitoniana ny aretim-bavony

Ny fanantonana mpitsabo no fomba voalohany indrindra azo antoka hitsaboana ny aretim-bavony. Mila manao fitiliana mba ahafantaran’ny mpitsabo ilay karazana aretim-bavony mahazo sy ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Misy ihany koa etsy andaniny ireo fomba natoraly afaka manampy amin’ny fampitoniana ny aretim-bavony.
Azo atao ohatra ny mikiky ovy roa voavaofy ary tsihifina. Ilay ranony iny no sotroina mandritra ny tontolo andro. Maro ihany koa ireo efa nahita vokatra tsara tamin’ny fisotroana ravina papay iray nampangotrahana niaraka tamin’ny rano 1 litatra. Misotro antsasaky ny vera isaky ny 15 minatra alohan’ny sakafo.

Lire la suite

Articles Similaires