• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesrecettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mitondra vokatsoa maro ho an'ny fahasalamana ny fihinanana trondro « thon »

03/05/2023 09:41 © Moov.Mg

Marihina isan-taona amin’ny fiandohan’ny volana may ny andro maneran-tany ho an’ny « thon ». Mbola vitsy mahafantatra ity karazana trondron-dranomasina ity eto Madagasikara. Maro anefa no vokatsoa ara-pahasalamana entin’ny fihinanana azy. Andeha ange ho resahina e !

Thon : trondron-dranomasina mitahiry otrik’aina maro

Trondron-dranomasina manankarena otrikaina maro ny thon noho izy mitahiry ireo protéines avy amin’ny ranomasina. Ahitana vitamines A, B sy D, protéines, oméga-3, fer, phosphore ary magnésium ao anatiny. Mazava loatra fa ilain’ny vatana ireny karazana otrik’aina ireny. Marihina kosa anefa fa misy ihany koa ireo olona tsy mahazaka io karazana trondro io. Mila mitandrina ihany koa rehefa mividy ireny thon nofony ireny satria mety hivadika izy ireny raha notehirizina amin’ny fomba tsy manara-penitra.

Mitondra hery ho an’ny vatana ny fihinanana thon

Mitahiry tahana protéines ambony ny trondro thon. Otrikaina ilain’ny vatana ny protéines noho izy manatsara ny sela eo amin’ny hozatra. Raha tsy ampy protéines ny vatantsika dia lasa malemilemy sy tsy misy tanjaka. Mitondra hery ho an’ny vatana hono izany ny fihinana thon. Mbola manampy izany fampitoboina hery amin’ny vatana izany ihany koa ireo vitamines B hita ao aminy. Mety foana na thon amin’ny boaty, na thon namainina na thon nofony no atao amin’ny sakafo.

Miaro sy manatsara ny fiasan’ny fo ny thon

Ny oméga-3 hita ao amin’ny thon dia tafiditra anatin’ireo tavy tsara miaro ny fo. Manampy betsaka amin’ny fanenana ny tahana cholestérol ao amin’ny lalan-drà ny oméga-3. Manakana ny rà mikorina anaty lalan-drà mba tsy ho mandry ihany koa ity farany. Raha manana fahazarana mihinana thon ny olona iray dia tsy ho mora tratry ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà. Etsy andaniny kosa anefa mila ahena ny fihinanana ireo sakafo mampitombo ny cholestérol ratsy toy ny dibera sy ny charcuteries.

Manampy amin’ny fisorohana ny aretin’ny maso

Ahitana vitamine A ihany koa ao amin’ny thon. Ny vitamine A moa dia anisan’ny otrikaina manampy betsaka amin’ny fitandrovana sy fanatsarana ny fahasalaman’ny maso. Mihatsara ny fahitana anaty toerana maizimaizina rehefa mizatra mihinana thon. Mandray anjara amin’ny fampitomboana ny taolana sy ny fanamafisana ny nify ihany koa ny vitamine A hita ao amin’ity karazana trondron-dranomasina ity.

Lire la suite

Articles Similaires